Noho ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena tato ho ato amin’ny fisian’ny fiezahana manakorontana ny sain’ny vahoaka hoe ravao ny tondrozotra vita sonian’ny ankolafy rehetra miaraka amin’ireo hevitra maro hanapotehana ny ezaka efa vita teo amin’ny fanatanterahana azy, dia mahatsiaro ho manana adidy izahay parlemantera TGV, hoy ny mpitondra teniny Tinoke Roberto omaly teny Tsimbazaza raha nitafa tamin’ny mpanao gazety, fa mampalahelo ny vahoaka malagasy amin’ny zava-misy mahazo azy.
Miezaka izahay manazava, hoy indray i Jean Michel Henri fa ny fanafoanana ny tondrozotra vita sonia dia ohatra ny kilalaon-jaza. Tsara homarihina, hoy izy, fa mandray anjara mivantana amin’izao fitondrana izao ny ankolafy Zafy Albert ary avy amin-dry zareo ny Praiminisitra Omer Berziky ka tsy mendrika hitondra fanjakana ny mandroso mihemotra tahaka izany. Mazava, hoy i Jean Michel Henri, ny voalazan’ny andininy faha-23 amin’ny sori-dalana milaza fa ireo nanao sonia azy io dia tsy tokony hanao “droit de veto” amin’ny fanatanterahana izany. Fotoana izao, hoy ireto parlemantera TGV ireto hirosoana amin’ny fifidianana.
Aoka isika tanora, hoy i Tinoke Roberto, ho tonga saina fa amin’izao fotoana izao indrindra no tena fandraisantsika andraikitra eto amin’ity firenena ity. Fa hiala amin’ny tondrozotra isika dia hanao inona ? Efa lanin’ny kary ny fitadiavana vahaoalana hafa tsy hita hatramin’izay, hoy izy namarana ny teniny. Raha ny fifampiresahana politika dia vonona foana izahay TGV rehefa apetraka anaty valan’ny sori-dalana, hoy ny famaranan-dry zareo parlemantera ireto ny teniny fa raha vao miala amin’io sori-dalana io dia tsy afaka hiresaka mihitsy izahay. Mazava ny resaka eto fa mikoropaka mba tsy hilazana fa mihorohoro ny TGV sao rava ilay tondrozotra natao sonia tamin’ny 17 septambra 2011. Io rahateo no mametraka an’i Andry Rajoelina ho filohan’ny tetezamita. Koa raha sori-dalana hafa no hivoaka eo handaminana ny krizy, mety tsy ho izay intsony ny zavatra hiseho.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.