Politique

Parlemantera TGV Antananarivo : Tsy mankasitra ny fihetsiky ny parlemantera TIM


  • Alakamisy 03 Mey 2012


 Ny zava-niseho tamin’ny sabotsy raha ny fahitanay vondrona parlemantera TGV azy, hoy ny CT Raherisoa Vololona Victorine nisolontena ireo namany tamin’ny fitafana tamin’ny mpanao gazety teny Tsimbazaza ny talata 1 mey teo, dia somary misy fihetsika mampalahelo sy mahamenatra ihany izany ataon’ireo filohana andrim-panjakana sy mpikambana amin’ny parlemanteran’ny tetezamita nitarika olona an-dalambe. Aminay mantsy, hoy izy, izany fanaovana tatitra izany dia tsy tokony hatao eny an-dalambe ary raha eto Antananarivo no manao izany dia ny parlemantera eto ihany no tokony hiantso fa tamin’ity ny tazana nisy avy any Toamasina, nisy avy any Antsirabe tonga manao tatitra eto ary ny zavatra anankiray tena mampalahelo sy mahavariana ihany koa dia ny fahitana sorabaventy marobe izay mitaky ny fialan’ny filohan’ny tetezamita sy mitaky zavatra maro samihafa.

Dia hita mihitsy izany fa tsy ny fanaovana tatitra no zava-dehibe hoan-dry zareo fa nisy zavatra ambadka tamin’iny. Ka aminay, efa misy ny zavatra najoro amin’ny govenemanta fiaraha-mitantana ka misy tanjona hiara-mijery koa izany ao dia ny fialana amin’ny rafitra tetezamita hidirana amin’ny Repoblika faha-4. Ny tetiharana amin’ny firosoana amin’ny fifidianana izao no tokony ho banjinina fa toetra tsy ankasitrahanay loatra ny hoe misy vahiny tonga eto dia hanao fihetsika tsy fahamatorana amin’ny famoahana an’i Madagasikara amin’ny olana misy azy. Tokony ety amin’itony toerana etsy amin’ny Lapan’ny Tsimbazaza itony no hifampiresahana amahana ny olana fa tsy hitarika olona eny an-dalambe indray.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT