Politique

Parlemantera Hanao tatitra amin’ny vahoaka


  • Zoma 20 Aprily 2012

Miomana hanao tatitra amin’ny vahoakan’Antananarivo amin’izay nivorian’izy ireo in’efatra nisesy izay ireo Parlemanteran’ny tetezamita.

 Raha tsy misy ny fiovana dia rahampitso sabotsy no hanatanterahana izany etsy amin’ny Kianjan’ny demokrasia Ambohijatovo. Adidin’ny Parlemantera rahateo ny manao tatitra ary zon’ny vahoaka ny mahalala ny vaovao. Etsy ankilan’izay anefa, ho an’ny ankolafy Ravalomanana, dia mitohy ny fampitam-baovao sy fanentanana etsy amin’ny Kianjan’ny Finoana, Magro Behoririka ary saika Parlemantera no mifandimby mandray fitenenana amin’izany. «Tokony holanjalanjaina tsara ny tenin’ny olom-panjakana ary vaovao marina hatrany no tokony ho azon’ny vahoaka», hoy ny CT Ralaiseheno Guy Maxime omaly. Manoloana ny raharaha mafana eo amin’ny tontolon’ny haino aman-jery amin’izao dia mahafaly, hoy izy, fa fahatsapan’ny rehetra fa zo ny hahazo vaovao marina ka tokony hosokafana ny haino aman-jery ary voalazan’ny andininy faha-17 amin’ny tondrozotra izany fa tsy tokony hasiana mizana tsindrian’ila.

Ary vohay koa Ambohijatovo hanehoan-kevitra. Na izany aza dia nilaza ny CST Randrianjatovo Henri Victor fa politika mihaja no atao fa tsy politikan-jiolahy, sady «tsy ady no tanjon’ny filoha Marc Ravalomanana», hoy izy. Ny filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita, Zafilahy Stanislas, indray kosa dia nanisy teny mikasika ny dian’i Andry Rajoelina any Morondava rahampitso, hitokana ny lalam-pirenena faha-35. Efa manao propagandy sahady ve, hoy izy nametra-panontaniana. Toy izany koa ny hetsika fambolen-kazo hataon’ny FAT anio. Haninona hamboly hazo nefa ianareo no mpadripaka ny hazo eto, hoy i Zafilahy. Tsy hamboly ny tetikareo, hoy ity farany, fa ny hambabo ny fon’ireo tanora ao amin’ny kilasy famaranana izay ho mpifidy rahampitso. Ho fotoan-dehibe anio eny an-kianja, ary hisy ny toromarika homen’ireo mpitarika, raha ny re omaly, eo am-piandrasana izay ho fanapahan-kevitry ny SADC, mivory any Pretoria Afrika Atsimo anio.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Michel Razafindrandriatsimaniry
  • Zoma 05 Jona 2026

Manentana ireo Olomboatendry

  • Vovonana RALI
  • Zoma 05 Jona 2026

"Tsy misy fotoana ho an'ny adilahy,

  • Antoko politika Les Phares
  • Zoma 05 Jona 2026

«Efa misy dingana maro vita

  • Afera Rajerison, HCC, resaka fanakorontanana,…
  • Zoma 05 Jona 2026

Hangotraka ny fanenjehana,

  • Nikaon-doha
  • Alakamisy 04 Jona 2026

ny Filoha, FFKM, Praiminisitra,…

Hijery ny tohiny
FTT