Politique

Parlemantera Belza sy Malagasy Manamafy orina ny fiaraha-miasa


  • Talata 28 Novambra 2017

Ao anatin’ny tontolon’ny fiaraha-miasan’ny samy parlemantera avy amin’ny firenena miteny frantsay, ny « Delegasion du Parlement de la Fédération Wallonie – Bruxelles (PFWB) » dia manatanteraka fitsidihana eto Madagasikara mandritra ny valo andro,

 ny 26 novambra 2017 ka hatramin’ny 03 desambra 2017 izao. Atoa Philippe Courard, Filohan’ny PFWB no nitarika ity delegasiona ity, izay ahitana an’Atoa Alain Destexhe, filoha lefitry ny PFWB sy Rtoa Isabelle Emmery (Parlementaire de la Fédération Wallonie – Bruxelles) ary Rtoa Gerard Viviane, tale jeneralin'ny fitantanana ankapobeny ny fifandraisana ivelany. Amin’ny maha parlemantera ireto vahiny ireto, dia tonga nitsidika ara-pomba ofisialy tao amin’ny Lapan’i Tsimbazaza izy ireo omaly alatsinainy 27 novambra 2017 tamin’ny 10 ora maraina, ka noraisin’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena  Jean Max Rakotomamonjy tao amin’ny efitrano fandraisany vahiny. Taorian’izay dia nihaona tamin’ireo solombavambahoaka mpikambana ao amin’ny Vondrona Fifankatiavana Parlemantera Malgacho - Belge tao amin’ny efitrano BP ao amin’ny Antenimieram-pirenena izy ireo. Lohahevitra nodinihina ny fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny parlemantera roa tonta,  izay efa nisy hatramin’ny taona 2001. Teo ihany koa ny fifanakalozana traikefa sy fahaiza-manao eo amin’ny asa fanaovan-dalàna. Noresahina sy nifanakalozana hevitra ny tontolo politika, ny toekarena, ny fanabeazana sy ny sosialy. Ny tanjona dia samy hahazo tombontsoa amin’ny fiaraha-miasa ny firenena roa tonta, indrindra fa ny vahoaka Malagasy. Nofaranana tamin’ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny parlemanta roa tonta ny fihaonana tao amin’ny efitrano BP. Ho fahatsiarovana ny nandalovan’ireto mpikambana amin’ity delegasiona avy any Belgique ity teto amin’ny lapan’i Tsimbazaza dia nisy ny fakana sary niombonana sy ny fitsidihana ny efitrano fivorian’ny solombavambahoaka.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT