Politique

Parlemantera avy any Atsimo Andrefana Mitaky ny hanesorana an-dRazanamahasoa Christine


  • Alatsinainy 26 Martsa 2012


 Manoloana izao fahasahiranam-bahoaka manerana ny Nosy izao dia manao fanambarana miaraka ireo Parlemantera ankolafy Ravalomanana avy any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita fa melohin-dry zareo tanteraka ny filalaovana ny fiainam-pirenena ataon’ny minisitry ny fitsarana, Razanamahasoa Christine, manoloana ny fampitarazohana ny rijan-teny mikasika ny volavolan-dalàna famotsoran-keloka faobe. Ity farany ity anefa, hoy ry zareo, no heverina fa manamafy ny fampiharana ny tondrozotra tsy misy tomika hisian’ny fitoniana ara-politika eto Madagasikara sy hisian’ny fandriampahalemana manerana ny Nosy ary ahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena amin’izao fotoana mampijaly ny vahoaka izao. Izahay, hoy ireto parlemanteran’Atsimo Andrefana ireto, dia miombon-kevitra amin’ny sendikan’ny mpitsara SMM fa ny minisitry ny fitsarana no sakana amin’ny ahazoana fankatoavana sy firosoana amin’ny famotsoran-keloka. Raha tarafina amin’ny fitsarana ny raharaha BANI, hoy ihany ireto mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita ireto, dia misy tsy fankatoavana ny tondrozotra ao amin’ny ministeran’ny fitsarana ao. Noho izany dia “takianay ny fialan’ny minisitra Razanamahasoa Christine sy ny fanesorana azy tsy ho ao amin’ny governemantan’ny Praiminisitra Omer Berziky intsony”.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT