Politique

Parlemantan’ny tetezamita Totohondry tao Anosikely, sahotaka teny Tsimbazaza


  • Alarobia 14 Desambra 2011

Tafavadika ho lalŕna nanomboka omaly teo anivon'ny Kongresin'ny tetezamita ilay sori-dalana nosoniavin'ireo mpanao politika teny Maibahoaka Ivato ny 17 septambra 2011.

 Lany tamin’ny tsangan-tanana, 229 tamin’ireo 283 tonga nivory, ny volavolan-dalàna lah.2011-710 mikasika izany. Anisan’ny mpivory mavitrika ny avy amin’ny ankolafy Ravalomanana sady nazoto tamin’ny fandraisam-pitenenana nanakiana sy nanome soso-kevitra nefa nijanona tamin’izay fotsiny ireny. Tsy anisan'ireo nifidy an’io volavolan-dalàna io ny ankolafy Ravalomanana, araka ny fanazavan-dRandriamamiarizafy Ignace, mpikambana ao amin’ny Kongresy (CT) avy any Moramanga. Tsy mitovy ny fomba fijerin'ireo mpikambana ao amin'ity rafitra ity satria iaraha-mahalala fa samy manana ny firehan-kevitra arovany sy tohanany. Ireo mpanohana ny fitondrana dia mbola nitazona hatrany ny lalàmpanorenan'ny Repoblika faha-4 nolaniana amboletra tamin’ny 17 novambra 2010 ary dia misisika ny hampiditra ny sori-dalana ao anatin’izany lalàmpanorenana izany. Ny ankolafy Ravalomanana kosa ankilany, milaza fa dia ny sori-dalana ihany, araka izay voasoratra ao sy ny voalazan'ny andininy faha-30 manambara fa foana avokoa ny fanapahan-kevitra sy zavatra rehetra natao nialoha ny nanaovana sonia io sori-dalana io.

Tsy afa-manoatra anefa raha ny marina satria vitsy an’isa ary efa misy ihany koa ireo efa miova hevitra noho ilay resaka fikatsahana ny tombontsoan’ny firenena amin’izy ireo. Anisan'ny fepetra notakian'ny minisitry ny fitsarana ihany koa ny tokony hamadihana ho lalàna ny sori-dalana vao afaka mampihatra izany ny tenany, toy ny amin'ny famoahana ireo gadra politika, famohana ireo haino aman-jery nakaton’ny FAT ary ny fampodiana ireo sesitany rehetra, eny fa dia efa nampiharina aza ny sori-dalana tamin'ny nanendrena ny filohan’ny tetezamita, ny praiminisitra, ny governemanta ary nananganana ny CT sy CST. Hatreto dia ny vaomiera misahana ny fifidianana (CENI) sy ny fitsarana manokana hisahana ny fifidianana (CES) no tsy mbola tafapetraka. Tsy voafaritra mazava ihany koa na ho lalàna tsotra toy ny lalàna rehetra ny sori-dalana na ho lalàna hitondrana ny tetezamita, araka izay voasoratra ao amin'ny andininy faha-2.

Tsy mitombina anefa ny haha lalàna tsotra ity sori-dalana ity satria amin'ny alalany no hananganana ireo rafitra isan-tokony ary amin’ny alalany no itondrana ny tetezamita mandra-pitsangan'ny Repoblika vaovao sy ny rafitra rehetra ao aminy, araka izay lazain'ny andininy faha-2 ihany. Raha arahina ny lojika, tsy mbola ao anatin'ny Repoblika faha-4 isika, araka izay nodradraina sy nomarihana ny alahady lasa teo. Ho an'ny eo anivon'ny CST indray dia zary lasa lapan'ny totohondry ny lapa Maitson'Anosikely, hoy i Rodin Rakotomanjato. Kely madity, hoy izy, ny ankolafy Ravalomanana ao amin'io rafitra io ary na ireo mpikambana samy mpanohana ny fitondrana aza dia tsy mitovy hevitra mihitsy ka izay no hivadihan'ny raharaha ho fikasihan-tanana. Nifanangana tao Anosikely mihitsy omaly i Alain tehindrazanarivelo sy Robert Razaka. Tsy raikitra hatramin’ny fivoriana tokony ho natao omaly tolakandro handaminana ny firafitry ny birao maharitra, izay nifandroritana satria tsy ahitana taratra ny fiaraha-mitantana takian’ny tondrozotra.

Nafana ny adihevitra satria ao ny mitazona ny isan’ny filoha lefitra ho 6, ao ny milaza fa hatao 9, ny hafa 12. “Raha izao no mitohy dia ho rava ity fitondrana ity”, hoy ity CST avy any Itasy ity. Tsotra ny resaka, raha ny tenin-dRandrianjatovo Henri, CST avy any Vakinankaratra : tokony ho hita taratra ao anatin'ny CST ilay hoe fiaraha-mitantana, tsy mifanilika. Ny zava-misy anefa dia mpanohana ny fitondrana avokoa ireo eo anivon'ny fitantanana izany rafitra izany. Nohamafisiny nanoloana ireo mpiara-mitolona tetsy amin’ny kianjan'ny Magro fa dia tsy hamitaka ny vahoaka izy ireo. “Misy zavatra asain'ny filoha ataonay ao, manomana ny fiverenany sy manomana ny fifidianana sy ny famerenana ny maha tany tan-dalàna eto amintsika", hoy ihany izy. Nohamafisiny fa efa nilaza ny Filankevi-pilaminana sy fandriampahaleman’ny Vondrona Afrikanina (CPS) fa tsy hisy fankatoavana ho azo raha tsy tafaverina eto an-tanindrazana ny filoha Marc Ravalomanana.

Nangonin’i Soa sy Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT