Politique

Parlemantan’ny tetezamita Mety amin’ny TGV ny fiaraha-miasa amin’ny TIM


  • Talata 17 Aprily 2012

Tsy misy vondron’olona iray na roa afaka mitondra irery ity firenena ity fa tsy maintsy hiaraha-mitantana izany, hoy ny CT Andriamalala Mamy Freddy filohan’ny vondrona parlemantera TGV eny anivon’ny Kongresin’ny tetezamita, raha tiana ny hivoahana amin’izao krizy misy antsika izao ary tompon’andraikitra amin’izany avokoa ny mpanao politika rehetra.

 Azo ambara fa metimety kokoa amin’ity vondrona parlemantera TGV ity amin’ny ankapobeny ny fanapahan-kevitra iarahany raisina amin’ny vondrona parlemantera TIM ankolafy Ravalomanana raha tarafina avy amin’ny teny nataon’ity filohan-dry zareo ity nilaza taorian’ireny fivoahan’ny Parlemantera ankolafy Ravalomanana ny efitrano fivoriana farany teo ireny, fa ry zareo dia mangataka foana fiaraha-miasa sy fiaraha-midinika amin’ny rehetra ka izany no niantsoany nivantana azy ireo hiverina hiditra ny lapa avy hatrany tamin’iny fotoana iny. Dia manamarina ny kabary an-kianja ataon’ny mpitari-tolonin’ity ankolafy ity izany hoe : «tsy hisy mihitsy ny fankatoavana iraisam-pirenena raha tsy miaraka amin’ny Zanak’i Dada».

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT