Politique

Parlemantan’ny Tetezamita Havaozina tanteraka, averina hotendrena ny mpikambana


  • Talata 29 Novambra 2011

Miha mazava ny resaka ankehitriny mikasika ny fananganana ny Parlemantan’ny tetezamita izay ahitana ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita.

 Foana ny adihevitra ny amin’ny hoe fanitarana ny efa misy sa havaozina tanteraka, dia nilatsaka ny fanazavana avy any amin’ny Troika, araka ny andininy faha-32 rehefa misy zavatra mampifanolana, fa dia fanavaozana tanteraka no hatao ary fanendrena vaovao no hatao mikasika ireo mpikambana handrafitra azy ireo. Raha ny loharanom-baovao fantatra hatreto dia hanana anjara toerana 57 ny ankolafy Ravalomanana ao amin’ny Kongresy ary 30 ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita. Raha ny voalazan’ny drafitra fampiharana ny tondrozotra dia tokony ho tafajoro hatramin’ny faran’ity volana novambra 2011 ity ny Parlemanta. Misy ny fivoriana tanterahina eny Iavoloha eny mikasika ny fananganana azy io efa hatramin’ny zoma lasa iny, ary nitohy omaly, ka andrasana izay ho fivoakany.
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT