Politique

Parlemantan’ny tetezamita Hanana ny olony Rajoelina, nasosoka koa ny «Notables»


  • Alakamisy 01 Desambra 2011

Ho 601 ny isan’ireo mpikambana amin’ny Parlemantan’ny tetezamita, ka ny 417 ho ao amin’ny Kongresy (CT) ary ny 184 ambiny kosa ho an’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST).

 Taorian’ny fivoriana in-telo miantoana nataon’ireo mpanao politika, avy amin’ireo vondrona mpanao sonia ny tondrozotra no namaritra ireo isa ireo, sy ny fampizarana izany isaky ny vondrona miisa 10 mpanao sonia ny sori-dalana miampy ny anjaran’ny filohan’ny tetezamita manokana sy ny an’ireo Olobe na «Notables». Eo no mipetraka ny fanontaniana, satria tsy misy andininy na dia iray aza ao amin’ny tondrozotra milaza fa na ny filohan’ny tetezamita na ny «Notables” dia manendry olona ho any anaty rafitry ny tetezamita. Hanendry CT miisa 20 sy CST 10 amin’ny anarany ny filohan’ny tetezamita, raha CT 22 sy CST 6 ny «Notables». Mikasika ny «Notables» manokana, ahoana no famaritana azy io, iza izy ireo ? Mazava eto fa tsy voahaja fanindroany indray ny tondrozotra, taorian’ny efa tsy nanajana azy tamin’ny fanendrena praiminisitra, koa asa na hanao ahoana ny hoaviny ?
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT