Politique

Parlemanta Tsy maintsy hirosoana ny amnistia


  • Alatsinainy 20 Febroary 2012

Rehefa tsy hanao ny governemanta dia aleo hataon’ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, hoy ny CT Mamitiana Ravelonanosy manoloana ny firaikiraiken’ny fahefana mpanatanteraka amin’ny famolavolana ny volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka faobe.

 Nanao antso avo amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena koa ny tenany mba hanafaingana ny fampiharana izay fanapahan-kevitra efa tapaka, ka ao anatin’izany ny fodian’ny filoha Ravalomanana izay efa eken’ny maro an’isa, hoy izy, fa tsy azo hihodivirana intsony. Manoloana izany indrindra dia miantso ho amin’ny firaisankinan’ny rehetra handaniana ny amnistia faobe. Raha ny toromarika nomen’ny Troika tany Pretoria farany teo moa dia manana folo andro eo ho eo sisa ny fitondrana hanatanterahana sy handaniana ny volavolan-dalàna momba ny fitoniana sy ny amnistia faobe.

Ny 29 febroary ho avy izao izay fe-potoana nomen’ny Troika izay, fotoana izay voafaritra ihany koa fa tokony hahazoan’ny filoha Ravalomanana miverina an-tanindrazana. Mbola manana ambim-potoana rahateo ireo Parlemantera handinihina izany volavolan-dalana momba ny fitoniana sy ny famotsoran- keloka faobe izany satria efa lany tamin’iny faran’ny herinandro lasa teo iny ny lalàna hifehy ny fifidianana. Misy amin’ireo Parlemantera moa moa no nilaza fa tsy tokony hisy fampiantsoana fivoriana raha toa ka tsy volavolan-dalàna maromaro no indray dinihina satria miteraka fandaniana sy fahaverezam-potoana be izany. Tokony ho anisan’ny laharam- pahamehana, hoy ny CST Henri Randrianjatovo ny resaka amnistia satria izany dia hahazoana mametraka firaisankina sy fitovian-jo eo anatrehan’ny lalàna, izay amnistia izay koa, araka ny fanazavana ihany dia handaminana ny fifidianana ho avy sy ny ampitson’ny firenena.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT