Mibaribary ny maha mpahay lalŕna sy mpanao politika kokoa an’ny Pr Rakotomanana Honoré sy Rakotomamonjy Jean Max.
Raha difotry ny raharaha anatin’ny antoko Leader Fanilo, izay izy no filohany, dia mifantoka tanteraka amin’ny asa aman’andraikitry ny Antenimierandoholona Rakotomanana Honoré. Raha hita an-gazety sy re amin’ny haino aman-jery ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Rakotomamonjy Jean Max tato ho ato dia saika noho ny Leader Fanilo no antony. Noho io dia somary takon-dRakotomanana Honoré Rakotomamonjy Jean Max raha ny Parlemanta no resahina.
Rabri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.