Politique

Parlemanta Tafatsangana ny Miara-mizotra ho an地y Tanindrazana


  • Zoma 23 Martsa 2012

Tafatsangana eny anivon地y Filankevitra Ambonin地y tetezamita (CST) sy eny amin地y Kongresin地y tetazamita (CT) ny vondrona parlemantera vaovao ォMiara-mizotra ho an地y Tanindrazanaサ itambaran段reo hery politika samihafa nanao sonia ny tondrozotra tahaka ny Exopoles, Tambatra, MFM, TIM, Escopol, HPM �

 Miavaka kosa ny UDRC sy TGV ary ireo elatra TIM roa nisintaka tamin-dRavalomanana. Fiaraha-mitantana ny fitantanana ity vondrona parlemantera ity ka eny anivon’ny CST dia i Cyril Rasamizafy sy Hanitra Razafimanantsoa ary Robert Razaka no mitarika azy miaraka amin’ny komity 12. Eny amin’ny CT kosa dia i Beza Seramila, Raharimampionona ary Pierre Lenoble no mitarika azy ary mbola miaraka amin’ny komity 12 ihany koa. Tanjona amin’ny fananganana ity vondrona parlemantera ity, hoy ny CST Raharinirina Jacques Aimé (Tambatra), ny hamoaka ny firenena amin’izao krizy izao sy fampiharana ny tondrozotra amin’ny fiaraha-midiniky ny samy Malagasy hamenoana ny banga ao aminy.

Misy banga tokoa ao amin’io tondrozotra io, hoy i Jacques Aimé, izay tsy inona fa ny kolontsaina malagasy ary “izay indrindra no nanaovanay antso tamin’ny raiamandreny FFKM”. Ny tanjona manaraka dia ny hisian’ny fitoniana politika eto amintsika. Ny fijerena akaiky ny lalànan’ny famotsoran-keloka sy fampihavanam-pirenena izay hiantoka ny fifidianana madio, mangarahara, eken’ny rehetra mba tsy hiverimberenan’ny tsy fahatomombanana ka hiverenan’ny fanonganam-panjakana lava izao eto amintsika. Niraisanay ao amin’ny «Miara-mizotra ho an’ny Tanindrazana», hoy i Jacques Aimé, ny filazana fa ny ady an-tsena no miakatra an-dapa ka manjary manome vahana ny jiolahy sy mpanao ratsy ary mahatonga ny vahoaka tsy hatoky ny fitsarana, ka manamarina ny voalazan’ny ankolafy Ravalomanana hoe : tsy manara-penitra ny fitsarana eto amintsika, fa misy baiko ary nohamafisin’ny SMM rahateo izany.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin窶冓ty sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT