Politique

Parlemanta Lasa «braderie» !


  • Alatsinainy 05 Desambra 2011

529 ny mpikambana, 164 ny CST ary 365 ny CT. Tsy mbola nisy isan’ny mpikambana marobe toa io teto amin’ny tantaran’ny firenena malagasy sy ny tantaran’ny Parlemanta.

 Andoavana karama avokoa ireo rehetra ireo kanefa tsy hita mazava izay tena asany. Inona ny lalàna hofidiana amin’izay andro sarotra izao, tsy tokony ho ny raharaha ankapobeny ve no sahanina amin’ny tetezamita toy izao ? Ao ny mpivady, ao ny mpianaka ao ny rafozana, raha tsy hotanisaina afa tsy ireo eo anivon’ny mpikamban’ny parlemanta. Toa lasa fivoriam-pianakaviana rehefa raikitra ny fivoariam-be etsy Anosy na etsy Tsimbazaza. Izao indray dia ny ady toerana ny amin’izay ho filoha sy filoha lefitry ny parlemanta no hihazakazahan’ireo mpikambana. Efa raikitra sahady ny fivoariana etsy sy eroa eo anivon’ny antoko sasany mba hamaritana izay olona hatolotra ho amin’izany. Olona 529 no indray handoavan’ny vahoaka karama. Izany tokoa ny hoe tena fitadiavan-tseza no antony hanaovana politika.
G.T

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT