Politique

Parlemanta Hivory dia hanao inona ?


  • Alarobia 02 Mey 2012

Tsy tahaka ny mahazatra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Parlemanta omaly, satria niray feo ary tsy nanatrika izany ny parlemantera rehetra avy amin’ny ankolafy Ravalomanana.

 Nisinisy ihany ny toerana banga teny Tsimbazaza sy Anosikely teny. Tsy hanatrika filankevitry ny governemanta sy filankevitry ny minisitra koa ireo minisitra avy amin’ity ankolafy ity. Izany dia araka ny toromarika azon’izy ireo ny alatsinainy 30 aprily lasa teo. Hifantoka amin’ny fandinihana ny volavolan-dalàna sy ny tolo-dalàna momba ilay Komitin’ny fampihavanana malagasy (CFM) moa ity fivoriana ara-potoana voalohany ity. Handringa ihany anefa izany asa izany. Niezaka ihany nanao kabary hampihavanana ny andaniny sy ny ankilany ny jeneraly Rasolosoa Dolin filohan’ny CST, saingy ho sarotra ihany ny raharaha.

Ny antony dia tsy mahalala marina afa-tsy ny heviny ny ankolafy Rajoelina, ary tsy hanaiky lembenana intsony fa dia hanamafy ny fitakiany hampiharana ambongadiny ireo andininy rehetra voarakitry ny tondrozotra ny ankolafy Ravalomanana, izay efa nidina an-dalambe indray ary nandalo teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey mihitsy. Koa mahalasa saina ihany hoe : hivory dia hanao inona moa izany ny Parlemanta raha toa ka olona ankolafy iray no hameno lapa ? Niantso ny fandraisan’andraikitry ny rehetra ny jeneraly Rasolosoa Dolin, filohan’ny CST, omaly, ka antenaina fa efa tonga any am-pototsofin’i Andry Rajoelina tsara izany, satria afaka manapa-kevitra handamina na hanakorontana ny firenena izy. Mbola vondrona politika matanjaka ny ankolafy Ravalomanana ary tena fahadisoana goavana ny fanilihana azy. Azo ambara hoe diso kajy ihany koa ireo izay nihevitra fa rehefa tafiditra ao anaty tetezamita dia hanara-drenirano ny fomba fanaon’ny FAT hatrizay na sanatria hamadika palitao ireo zanak’i Dada. Hafa ireo mpikarama an’ady politika sahy nitsipa-doha ny lakana nitana, fa efa hafa mihitsy ny zava-misy ankehitriny. Izao vao tena tolona amin’ny fandrodanana ny jadona sy famerenana ny tany tan-dalàna, ary milaza fa vonona ny hiatrika izany hatramin’ny farany ny etsy amin’ny Magro.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT