Politique

Parlemanta Hafana ny adihevitra


  • Talata 10 Janoary 2012

«Manomboka eto no ahitana na hijanona eo anivon’ireo rafitra isan’ambaratonga na hipatitaka dia samy ho rava», hoy i Manoela, mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita, manoloana ny fivoriana tsy ara-potoana atrehin’ireo Parlemantera.

 Hafana ny adihevitra ao, hoy ihany izy. Ho an’ireo olon’ny ankolafy Ravalomanana manko dia mazava ny resaka. Tsy hisy dinika vaovao apetraka raha tsy mazava sy hampiharina ny sori-dalana izay nosoniavin’ireo mpanao politika ny 17 desambra lasa teo ary efa navadika ho lalàna. Nambaran’i Manoela moa fa raha tsy miverina eto ‘Dada’ dia hipatitaka ao amin’io rafitra io. Ho an’ity mpanao politika ity dia tsy mbola fotoana handinihana ny momba ny fifidianana na lalàmpanorenana izao. Raha lalàmpanorenana nataon’ny vahoaka, hoy izy dia ny an’ny Repoblika fahatelo no akaiky indrindra fa mety asiam-panitsiana na fanamboarana kely fotsiny. Notsindrian’i Solamena, izay mpikambana ao amin’ny Kongresy fa tsy vao izao i Madagasikara no nandalo tetezamita. Notanisainy tamin’izany ny tamin’ny 1972 izay nanomezana fahefana ny jeneraly Gabriel Ramanantsoa.

Tamin’izany, araka ny fanazavana dia nanontany ny vahoaka tamin’ny alalana karazana fitsapan-kevi-bahoaka (loi référendaire) ny tenany raha toa ka eken’ny vahoaka ny hitondrany ny tetezamita. Lany 75% izany. Ny taona 1991-1992 koa dia nisy ny fifanarahan’ny Panorama nifanaovan’ireo mpanao politika. Rehefa vita sonia ilay fifanarahana ny volana oktobra dia maty ny lalàmpanorenan’ny Repoblika faharoa, hoy ihany i Solamena. Rehefa vita sonia ny volana septambra teo ny fifanarahan’ny mpanao politika, nametrahana ny sori-dalana dia tokony ho tapitra hatreo koa ny lalàmpanorenan’ny Repoblika fahefatra fa ny olona tsy manara-dalàna ihany no mbola mahita manao fety ny 11 desambra lasa teo, hoy ihany izy. Ho an’ny raharaham-pirenena moa dia nambarany fa tsy tokony hisy vary mangatsiaka fa mila vitaina daholo ka atao laharam-pahamehana satria efa voasoratra ao amin’ny sori-dalana ny fodian’ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana, ny famoahana ireo gadra politika ary ny famahana ireo haino aman-jery nakatona.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT