Politique

Parlemanta Frankôfôna Miroso ny fanomanana ny fivoriambe amin’ny Jolay


  • Sabotsy 12 Martsa 2016

Noraisin’ny Filohan’ny Antenimierandoholona Honoré Rakotomanana tao amin’ny Lapa Anosikely ny Sekretera Jeneralin’ny

 

«Assemblée Parlementaire Francophone (APF)», Pascal Terrasse niaraka tamin’i Phillipe Pejo mpiasam-panjakana ao amin’ny Antenimierandoholona Frantsay omaly zoma 11 martsa maraina.

Fitsidihana narahana dinik’asa ho fanomanana ny fandraisan’i Madagasikara ny Fivoriambe faha-42-n’ny Parlemanta mampiasa sy miteny ny teny Frantsay no nataon’ny roa tonta. Amin’ny volana Jolay ho avy izao no hanatanterahana izany.

Firenena 83 no mpikambana ao amin’ny APF ary anisan’izany i Madagasikara izay manana ny Andrimpanjakana mpanao lalàna anankiroa. Misy ihany koa anefa amin’ireo firenena sasany, Andrimpanjakana tokana ihany no eo aminy.

Nanotrona ny fihaonana ny Filohan’ny Vaomieran’ny Fifandraisana iraisam-pirenena eo anivon’ny Antenimierandoholona, Rajaonarivelo Pierrot sy ny Mpampakateny faharoa Rasamoelina Brigitte.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT