Politique

Parlemanta Banga ny toeran’ireo CST sy CT ankolafy Ravalomanana


  • Talata 24 Janoary 2012

Rehefa nihemotra adiny roa taty aorian’ny tamin’ny 10 ora maraina, fotoana nifanomezana, dia tontosa soa aman-tsara ihany ny fanokafana ofisialy ny fivoriana tsy ara-potoana faharoa amin’ity taona ity eny anivon’ny Kongresin’ny tetezamita.

 Azo antoka fa ny fiandrasana ny taratasy fanomezan-dalana ny zokiolona ao amin’ireo filoha lefitra 6 isam-paritany hitarika ny fivoriana avy amin’ny filohan’ity andrim-panjakana ity, Mamy Rakotoarivelo, izay voalazan’izany fanambarana novakiana ampahibemaso izany fa andeha hamita iraka any ivelany no anton’io fahatarana io. Nandalo teny amin’ny birao fiasany tokoa ity filohan’ny CT ity ary tsy hita vetivety intsony tahaka ireo namany ao amin’ny ankolafy Ravalomanana izay efa nanambara fa tsy hiatrika ity fivoriana ity mandra-pazavan’ny toe-draharaha niseho tamin’ny sabotsy teo tamin’ny fanakanana ny Filoha Marc Ravalomanana tsy hahazo hiditra eto an-tanindrazana indray izay mandika tanteraka ny fampiharana ny tondrozotra niaraha-nanao sonia.

Nambaran’ny filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita ho an’ny Faritanin’Antananarivo, ny CT Razafiandriambelo Njato Harinony, nitarika ny fivoriana ary tao amin’izany fotoam-panokafana fohy dia fohy izany fa ny fampandehanan-draharaha amin’ny ankapobeny no anjara andraikiny amin’izao maha mpisolo toerana vonjimaika azy izao ary ny famakiana fanindroany ny volavolan-dalàna mamaritra ny fandrindrana ny fampandehanan-draharaha ao amin’ny CENI izay vao nasian’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita fanitsiana no ho dinihan-dry zareo voalohany ankoatra ny volavolan-dalàna hafa ka ny «Conférence des Présidents» notontosaina omaly tolakandro ary hatolotra ankatoavin’ny be sy ny maro amin’ny fivoriana hitambarambe anio maraina no hamaritra ny fandaharam-potoana amin’izany.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT