Miditra amin’ny andro fahatelo anio ny fitsidihan’ny filohan’ny Parlemanta Panafrikanina Roger Nkodo Dang eto Madagasikara.
Hihaona amin’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Rakotomamonjy Jean Max izy anio maraina, ny tolakandro horaisin’ny filohan’ny Antenimierandoholona Rakotomanana Honoré ary ny hariva eny Mahazoarivo, hitsidika ny praiminisitra Ravelonarivo Jean.
SAMBAVA
Tanina mpandraharaha iray ao Antanifotsy 1, Sambava no nidirana andian’olona vao maraina omaly. Fanindroany nisehoan’io tranga io tamin’ilay tany. Efa nisy nanorina trano tamin’izay no noravain’ny polisy sy ny zandary, dia izao miverina izao indray.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.