Niditra amin’ny dingana ambonimbony kokoa ireo paramed ao Toliara.
Tsy nahitana mpitsabo mpanampy niasa tamin’ireo toeram-pitsaboana rehetra tao an-drenivohitra Atsimo Andrefana omaly tontolo andro. “Tsy hihemotra mihitsy hatramin’ny farany ny Sendikan’ny paramed”, hoy i Andrianarivo Brillant, filohan’ny SISFM ao Atsimo-Andrefana. Mba tsy hanaovana takalonaina ny marary anefa dia hisy ny fiandrasan-draharaha anio manomboka amin’ny 6 ora hariva ka hatramin’ny 8 ora maraina. Mety hiato tanteraka ny asa, hoy ity filoha ity, fa “miandry fotsiny ny fihaonana sy fivoriambe nasionaly hatao any Antananarivo izahay ny 7-8 jona izao, vao hahafantarana indray ny paikady hoenti-mitaky amin’ny manaraka, ka ho hitanareo eo ny tohin’ny tantara”. Marihina moa fa nanomboka ny 21 mey teo ny fitokonana ny tao Toliara. Teto an-drenivohitra dia nanamafy ny fitokonany ny dokotera sy ny paramed. Tao amin’ny HJRA Ampefiloha izy ireo no nifamotoana tamin’izany.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.