Politique

Paraina Auguste sy Rajaonary Eric Mivezivezy eny Iavoloha


  • Alakamisy 24 Martsa 2016

Ny fandraisana an-dramatoa Michaelle Jean, sekretera jeneralin’ny vondron’ny frankofonia sy ny raharaha fandaminana an’Anjozorobe no mitana ny sain’ny maro eto amin’ny firenena ankehitriny.

 

 Ny resaka politika sy ny fanoloana ny mpikambana eo anivon’ny governemanta  kosa no  manahirana ireo  mpanao politika.  Maro ireo  mpanao politika  tonga mitafatafa   amin’ny  filoham-pirenena eny amin’ny lapan’Iavoloha fa  anisan’ireo miverimberina  matetika  eny an-toerana kosa  atoa isany  Paraina Auguste, filoha vonjimaikanitantanan ny antenimieram-pirenena tamin’ny 2002 sy Atoa  Rajaonary Eric, mpandraharaha filoha mpanorina ny Guanomad. Anarana  izay   niverimberina  matetika na tamin’ny haino  aman-jery na tamin’ny gazety fa mety ho iray  amin’ireo no hotendrena ho praiminisitra. Ny filoham-pirenena ihany moa no tompon’ny teny farany ny amin’izay fa ny  fiverimberenan’izy ireo   matetika eny Iavoloha no mahavelom-panontaniana hoe marina  ary ve izany  ilay  feo mandeha ? Mbola fanontaniana saro-baliana ihany koa hatreto aloha ny hoe : moa ve tena ny filoham-pirenena dia ho sahy hanilika ny jeneraly Jean Ravalonarivo tokoa, ary raha esorina ve ity farany dia hanaiky hiala mora foana sa hila vaniny ?

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT