Potehina ny fananany, gafiana, lazaina fa mpangalatra, hanaovana antsojay i Marc Ravalomanana, saingy tsy dia rototra firy ny amin’izany. Terena hitroatra mihitsy, ka miakatra isan’andro ny lentan’ny famotehana azy amin’ny lafiny rehetra.
Vao mainka mitombo ny olona manara-dia azy, ary tsy arakaraky ny gafy no setriny avy aminy. Mahamety ny kajy maloton’ny HVM raha toa ka mitroatra i Marc Ravalomanana sy ny mpanohana azy ka hosoketaina amin’ny hoe manakorontana fanjakana sy mitarika savorovoro eto amin’ny firenena na koa holazaina fa mitady hanongam-panjakana mihitsy aza, ka mora ny hanameloka sy handentika azy. Tsy mety tafaroboka ao anatin’ny fandrika anefa ny tenany, na dia maro aza ny olona sasany no entanim-po sy te handrisika azy hitroatra eo anatrehan’ny tsy rariny. Tsy i Marc Ravalomanana mihitsy no handeha hamorona krizy vaovao eto amin’ny firenena, ary isan’ny toetrany mety tsy hahafaly ny mpanohana vitsivitsy aza ny fandeferana, ka efa misy mihitsy no sahy miteny hoe : hanaiky hogafiana sy hanaovana antsojay lava eto foana ve ? Anisan’ny nahatsapana izay fihetsik’i Marc Ravalomanana tsy tia korontana sy savorovoro izay ny raharaha 2009, ka nisafidianany ny namindra fahefana tamin’ny tafika sy nandao an’i Madagasikara satria tsy te hampamono ny Malagasy mpiray tanindrazana aminy. Tsy araka ny fanenjehana izay ezahina atao aminy, indrindra fa amin’ny raharaha 2007, izay notsiahivina omaly. Mety tsy niongana teo ny tenany raha tena nampiasa herisetra, saingy hiniana lotoina moa, kanefa mbola io iaraha-mahita io ny fanohanan’ny Malagasy azy na aiza na aiza alehany. Mampametra-panontaniana kosa ny fihetsiky ny fanjakana HVM hoe : sao dia efa mamono tena ? Inoana fa fantatry ny mpitondra tsara hoe vao mainka halam-bahoaka izy amin’ny figafiana an’i Marc Ravalomanana, saingy iniany atao izany. Efa manao tsipaky ny miala aina sy miandry fahagagana sisa, fa raha ny lojika aloha dia tsy ho lany izany ny HVM amin’ny fifidianana na hiodin-kavia na hiodin-kavanana. Hala-bato sy afera maizina sisa fara-fanantenana ho azy ireo, saingy tsy misy tsy mahalala izany teti-dratsy izany ny ambanilanitra, ka dia naman’ny efa mandavaka lavaka hilevenana ihany raha mitady ho fetsy eo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.