Ousseni Aly

> Mampanahy ny valim-pifidianana ho avy eo


  • Zoma 18 Oktobra 2013

Ousseni Aly, Mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny Tetezamita, MFM Faritra DIANA sady kandida depiote ao Antsiranana I no vahinin’ny Sokela anio. Fifidianana hafa noho ny fifidianana rehetra nisy hatramin’izay ity hatao amin’ny 25 Oktobra 2013 ity : fanomanana petatoko, fitoniana manjavozavo. Tena mampanahy ny ho mety valim-pifidianana ho avy eo, satria, atahorana hiteraka krizy vaovao indray, ka noho izany mbola maro no zavatra mety hatrehina amin’ny ho avy eo, hoy izy.

Tia Tanindrazana (TT) : Noho ny fiarahanao tamin’ny Sinoa teo amin’ny “Projet fer Soalala” no nahafantaran’olona anao ka mba azonao hazavaina tsotsotra ve izany ?
Ousseni Aly (O.A)
: Marina tokoa fa tsy dia olona fantatry ny olona loatra aho satria tena nipetraka ho teknisianina teo amin’ny fitarihana ny mpandraharaha sinoa mba hoentina hampandrosoana an’i Madagasikara, indrindra fa ho fampandrosoana ny any ifotony (Faritra). Famoronana asa amin’ny alalan’ny orinasa madinika sy ny orinasa salantsalany ary orinasa vaventy toy ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany sy ny hafa koa.

Ny nahafantaran’ny olona ahy voalohany dia teo amin’ny sehatry ny orinasa afakaba teto an-drenivohitra hatramin’izao ary koa saiky hitondra izany tany amin’ny Faritra kanefa tsy feno ny fepetra hananganana izany amin’ny faritra noho ny tsy fahalavorarian’ny herinaratra sady koa ny “administration” dia mbola mitanila be ka tsy maintsy aty Antananarivo daholo ny zavatra rehetra no atao.

Ny faharoa dia teo amin’ny sehatry ny fitrandrahana vy “Gisement de Fer Soalala”, satria, tsy nipetraka teo amin’ny sehatry ny orinasa afakaba izahay fa nitady fomba hafa ho any amin’ny Faritra ka nanangana orinasa mitrandraka harena ankibon’ny tany ka izaho no Tale Jeneraly tamin’izany. Taty aoriana dia nahita “carrière” nisy vato, vy tao Ankazobe izahay ary nitondra ampahany tamin’izany tany Chine ary nahafa-po ny valin’ny fanadihadiana sady koa nifandraika tamin’ny “Appel d’Offre International” nataon’ny fanjakana tamin’ny faramparan’ny taona 2007 ka ny orinasa izay niasako dia anisan’ny “actionnaire” amin’izany sady izaho rahateo no solontenan’ny orinasa hatramin’ny taona 2010, tsy iza izany fa ny orinasa Hong Kong Wisco Guang Xin Kam Wah “WISCO” izay mitrandraka “Gisement de fer Soalala”.

Nandritra ny krizy 2009 iny dia sarotra taminay ny fanantanterahana ny voarakitry ny “cahier des charges”, sady teo koa ny fanerena ny orinasa handoa an’ilay 100 tapitrisa dolara na dia tsy tokony ho teo amin’ny tetezamita no nandoavana izany. Nefa taty aoriana dia mbola nihantona (suspendu) koa ny asan’ny orinasa WISCO noho ny antony tsy mazava loatra, satria tsy hadisoan’ny orinasa raha tsy tanteraka ny fampiharana ny “Cahier des Charges”. Tamin’izany dia nahatsapa fa very tanteraka ny herim-po rehetra natao ka voatery nitady mpiaro, ka ny antoko MFM no manana “ Projet de société” na vinam-piarahamonina mifanandrify tamin’ny eritreritro nahatonga ahy nanao politika ary nisafidy antoko MFM, satria, ny antony dia tsotra mba tena mangetaheta fandrosoana izahay avy aty amin’ny faritra.

Noho ny fahatsapako ny tokony hitondrako ny anjara birikiko amin’ny fampadrosoana ny Madagasikara tanindrazana iombonana dia nilatsaka ho Depiote aho na dia hafa noho ny fifidianana nisy hatramin’izay aza ity fifidianana hatrehintsika amin’ity taona 2013 ity.

TT : Miresaka ny hitondranao anjara biriky amin’ny fampadrosoana ianao ka mba ho anisan’ny kandida depiote ve ianao amin’izao fifidianana izao ?
O.A :
Fantatro fa raha ny fisehoan-javatra etsy sy eroa amin’izao fotoana izao dia toa somary sarotsarotra ny hanantanterahana ny fifidianana hatrany amin’ny farany, kanefa efa roso ny dia tsy maintsy mandeha ka eo ampadrasana no mahita ny atiny. Sady koa tsy amin’ity fifidianana ity mihitsy no hahavaha ny krizy atrehintsika ankehitriny fa tsy maintsy mitohy hatrany amin’ny Parlemanta no hanohizana ny famahana izany.

Raha lany depiote ny tenako dia vonona hanatevina ny efa napetraky ny antoko MFM tamin’ny faritra, satria ny hevitry ny MFM no nipoiran’ny faritra 22 teto Madagasikara ka hanatevina ny fampadrosoana ny faritra no tena atao amin’ny fanaraha-maso ny fanjakana mpanatanteraka sy fanaovan-dalàna mifanandrify amin’izany mba tsy avela havadiky ny sasany amidy vola mba tsy hampahomby ny fandrosoan’ny faritra.

TT : Inona ary ny fandaharan’asanao any amin’ny faritra Antsiranana, indrindra fa Antsiranana I raha lany depiote eo ianao ?
O.A :
Marihiko etoana fa na lany aho na mifanohitra amin’izany ny zava-misy dia roso ity ny dia ho aty amin’ny faritra misy ahy amin’ny tapany avaratry ny Nosy dia tsy maintsy manao zavatra aho mba hoentina hampandrosoana iny faritra iny amin’ny lafiny rehetra ka miainga amin’ny ranomasina sy ety an-tanety mba hiadanan’ny rehetra amin’izany.

Mandrindra ny famoronana asa manodidina ny zavatra misy ao an-toerana miaraka amin’ny mpandraharaha vonona na ny efa manana traikefa amin’izany na ny mpandraharaha vaovao mazoto amin’izany, indrindra ny tanora izay hoavin’iny faritra iny. Ary koa miantso sy mampirisika ny mpandraharaha vahiny miara-miasa amin’ny mpandraharaha Malagasy (partenariat) izay tokony hanaja tanteraka ny rafitra apetraka entina hampandrosoana ny faritra.

Mandrindra ny famolavolana ny tanora mba ho tia karokaroka sy ho tia ny azy amin’ny alalan’ny fananganana “Club” samihafa na mitovy lenta amin’izany eny ifotony manomboka any amin’ny Fokontany mba hahay miara-monina ny rehetra ao anatin’ny fahasamihafana.

Ny zava-dehibe indrindra dia ny fihainoana ny feom-bahoaka isan-tsokajiny sy isan’ambaratongany havadika lalàna entina hampadrosoana ny faritra ka anisan’izany ny hetaheta te handroso isambatan’olona sy isan-tokantrano amin’ny alalan’ny demokrasia tanteraka sy fanarahan-dalàna, satria ny antoko MFM izay misy ny tenako dia ao anatin’ny fikambanana “International Liberal” sady koa mpikambana ao anatin’ny fikambanana “Réseau Liberal Africain” izay Atoa Manandafy Rakotonirina no anisan’ny mpanorina izany.

Ambarako etoana fa ny antoko MFM dia tsy mivadika amin’ny fitokisana. Nasehony izany amin’ny fiarahany amin’Atoa Marc Ravalomanana ka nahatonga ny fiarahana amin’ny Movansy Ravalomanana, satria, adidy no hatrehina fa tsy filana voninahitra akory.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT