Politique

Otrikafo Tsy vahaolana ny sonian’ny tondrozotra


  • Alarobia 14 Septambra 2011

Vao mainka hampihitsoka ny fiainam- pirenena ny fisisihana hanasonia ny tondrozotra, hoy ny antoko Otrikafo, tarihin-dRajaonah Andrianjaka.

 Tsy mbola voafaritra sady tsy fantatra akory manko izay votoatin’ilay tondrozotra hosoniavina, araka ny fanazavana. Tsy hay ihany koa na ny tondrozotra natolotr’i Simao na ny an’ny SADC na ny an’ny Troika izy io. Ambaran’ingahy Rajaonah fa tsy marim-pototra ary mariky ny fahatanoram-panahin’i Andry Rajoelina ny hikiribiby hanao sonia izany tondrozotra izany. Heverin’ny Otrikafo fa lalam-baovao no tokony hamahana ny krizy eto amintsika dia ny lalana miainga avy any amin’ny vahoaka, izay antsoiny hoe : ‘approche vahoaka’.

Efa manao fanentanana ho amin’izany eny anivon’ny Faritra sy ireo ambaratonga isan-karazany ny Otrikafo toy ny amin’ny oniversite, ireo sendika. Nitsotra anefa ity antoko ity fa tsy manana ny enti-manana hanatontosana ny dinika hatrany amin’ny Faritra rehetra manerana ny Nosy ka miantso ireo malala-tanana sy tia tanindrazana hanome tanana amin’ny fanantanterahana izany dinika hakana ny hevitry ny rehetra izany ny amin’izay mety ho vahaolana heverin’ny Malagasy fa hamoaka antsika amin’izao krizy izao.

 

Nangonin’i Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT