Politique

Otrikafo Manakiana an-dRavalomanana sady manasoketa an-dRajoelina


  • Talata 24 Janoary 2012

Porofon’ny tsy fahombiazan’ny tondrozotra, izany hoe ny fiaraha-mitantana ireny zava-misy tamin’ny sabotsy ireny raha ny fahitan-dRajaonah Andrianjaka azy.

 Samy tsy misy mikatsaka ny tombontsoan’ny Malagasy na ireo filoha telo aloha na koa ny filohan’ny FAT. Momba ny filoha Ravalomanana manokana dia nambaran’ity filohan’ny Otrikafo ity fa ny hanala an-dRajoelina amin’ny toerany ka hiverenany eo amin’ny fitondrana ihany no tanjony. Manampy azy amin’izany ny Amerikanina mba hahazoana indray ireo tombotsoa maro araka ny fanazavany hatrany. Noho izany dia mihevitra ingahy Rajaonah Andrianjaka fa tsy mendrika ny hahazo alalana hiverina eto Madagasikara intsony i Marc Ravalomanana. Maro rahateo ny raharaha miandry azy toy ny fivarotana tany amin’ny vahiny, ny vono olona tamin’ny 07 febroary ary koa ny fitantanana ny volam-panjakana. Nahazo ny anjara tsikera avy aminy koa ny filohan’ny FAT. Ity farany izay lazainy fa manaiky ny fiaraha-mitantana rehefa mety aminy ihany. “Te hahazo ny fankatoavana Rajoelina dia nanaiky io fiaraha-mitantana io saingy rehefa hitany fa ho avy Ravalomanana dia manao ilay fandraisana fanapahan-kevitra samirery indray ny tenany tahaka ireny tamin’ny sabotsy ireny”, hoy Rajaonah Andrianjaka
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT