Hita ho mailo dia mailo ny filohan’ny tetezamita teo aloha, Andry Rajoelina, raha ny fihetsiny sy ny firesany taorian’ny fiverenany teo amin’ny tontolo politika indray taorian’izay 4 taona nahanginany izay.
Miezaka ny tenany mametraka paikadin-tserasera handretirety ilay vina IEM izay heveriny hampisandratra ny firenena saingy ny ankoatr’izay kosa dia hita ho toa tsy dia mbola hivakiany loha loatra na dia nitohivakana aza ny tsikera sy fanakianan’ny mpanara-baovao. Efa mandeha rahateo ny feo ny amin’ny mety hisotasotan’ireo mpitana ilay fanalahidin’ny firenena natolony tamin’ny taona 2014 ny orinasany izay mifototra amin’ny tontolon’ny serasera avokoa. “Fa izy no iza ?”, hoy ny fehezantenin’ny filohan’ny antenimierandoholona ny zoma teo. Raha ny tsiliam-baovao ihany koa dia ny fampitam-baovaon’ny orinasan-tseraserany sisa no tena sahanina eny Ambodivona fa ny fitantanana rehetra sy ny famokarana kosa dia efa nafindra eny Ivandry avokoa. Azo heverina ho andrin’ny orinasan-dRajoelina, indrindra, ny orinasa mpamokatra sy mpanao dokambarotra Injet izay naoriny ny taona 1999 ary manana kapitaly 500.000.000 ariary, raha ny fantatra farany. Ahiana ho AAA Tiko 2 ihany koa, araka izany, ireo orinasan-dRajoelina.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.