Ny depiote TIM Guy Rivo Randrianarisoa, taorian’ny fanontaniana maro be napetraky ny olona azy efa am-bolana maro araka ny teniny no nanambara tao amin’ny pejy facebook ny omaly alarobia fa anio alakamisy 19 mey no manomboka handraisana ny taratasy filazana ny mombamomba ny tena na CV eny amin’ny Magro Ankorondrano ho an’ireo izay maniry ny hiditra hiasa ao amin’ny Tiko.
Ankoatra ny Magro Behoririka moa dia tazana efa misy asa fanamboarana ihany koa eny amin’ny Magro Ankorondrano, eny fa na dia tsy mbola misy daty mazava aza ny mety hisokafan’ireto toeram-pivarotana roa goavana an’ny Tiko ireto. Tsy ireo toerana roa ireo ihany fa ny any Antsirabe dia efa hatramin’ny faran’ny taona 2015 no nihetsiketsika nanarina ny simba rehetra ny Tiko ary mivonona ny hiasa. Hatreto anefa dia tsy mbola fantatra mazava ity orinasa noforonon’i Marc Ravalomanana ity no afaka hiasa marina. Nisy ny fifampiraharahana natao tamin’ny fitondram-panjakana, saingy tsy fantatra ny niafaran’izy io hatramin’izao. Ny kajy momba ilay resaka hetra ambaran’ny fanjakana fa tsy voaloa sy ny onitra tokony ho azon’ny Tiko noho ny fahapotehana nanjo azy, araka ny ambaran’ny tondrozotra moa no tsy ahitan’ny fitondram-panjakana sy ny tompon’ny orinasa marimaritra iraisana raha ny fahafantarana azy. Efa mivonona foana hiverina hihodina anefa ity orinasa vita Malagasy 100% ity. I Dada Ravalomanana dia efa nametraka fanamby fa tsy maintsy manome asa ny Malagasy sy manandratra avo ny vita Malagasy sy mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampiroboroboana ny toekarena Malagasy izy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.