Manomboka mazava amin’izao fotoana izao ny mety hanakatonan’ny fanjakana HVM ny orinasa Tiko. Toa nanamafy izany ny fampitam-baovao nataon’ny Minisitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana Rolly Mercia sy ny fanehoan-kevitra nataon’ny Minisitry ny varotra sy fanjifana Tazafy Armand.
Manomboka mazava amin’izao fotoana izao ny mety hanakatonan’ny fanjakana HVM ny orinasa Tiko. Toa nanamafy izany ny fampitam-baovao nataon’ny Minisitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana Rolly Mercia sy ny fanehoan-kevitra nataon’ny Minisitry ny varotra sy fanjifana Tazafy Armand. Rehefa nikatona ny orinasa Tiko dia nisy orinasa vaovao antsoina hoe AAA, ary io no niantoka ny fampiodinana sy famokarana ny vokatra Tiko, toy ny vokatra avy amin’ny ronono: dibera, fraomazy, yaourt… miampy ireo zava-pisotro: classiko, olympiko,… raha ny voalazan’I Rolly Mercia. Nambara fa tetika hialana amin’ny trosa amin’ny tsy fandoavana hetra an-taonany mitentina 120 miliara ariary hetra takian’ny minisiteran’ny vola sy ny tetibola. Ankoatra izay ihany koa dia ambara fa ananan’ny Jirama trosa 4 miliara ariary ny orinasa Tiko tany Antsirabe, izay efa notapahana ny jiro. Na eo aza ny fifanarahana teo amin’ny Tiko sy ny AAA, dia tsy manala velively ny trosa tokony halohan’ny Tiko izany, raha ny nambaran’I Rolly Mercia tamin’ny alalan’ny fampitam-baovaony. Niniana tsy noresahina kosa ny fanonerana ny orinasa Tiko, izay voafaritry ny tondrozotra sy ny lalàna. Na tsy nilaza mivantana aza ny minisitry ny varotra, Tazafy Armand, dia tsikaritra fa ny orinasa Tiko no tena tiana horesahina tamin’ny fanehoan-keviny omaly momba ny tontolon’ny orinasa eto amintsika. Amin’ny maha tany tan-dalàna azy dia mijery izahay amin’izao fotoana izao iza ny orinasa miodina, ka tsy manara-dalàna, ka isan’izany ny tsy fisian’ny fahazoan-dàlana ara-tontolo iainana, hoy izy. Saro-piaro amin’izany fiarovana ny tontolo iainana izany ny rehetra, ka izay no anton’ny fampiatoana mandra-pahafenon’ny fepetra, indrindra fa izay lafiny izay. Eo am-pitiliana ireo orinasa rehetra ity minisitera ity amin’izao, ary miara-miasa akaiky amin’ny minisiteran’ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fanomezana fahazoan-dàlana ara-tontolo iainana; minisiteran’ny fahasalamana mpanome ny fahazoan-dàlana hahafahana mihinana ny vokatra, ary ny minisiteran’ny varotra mpanome ny alalana hahafana manaparitaka ny vokatra ho azo jifaina eny amin’ny tsena. Matoa anefa niodina ny orinasa Tiko AAA, dia nahafeno ny fepetra rehetra ilaina. Somary nafampana rahateo ny resaka tsy fifankahazoana ara-politika teo amin’ny tompon’ny Tiko sy ny fanjakana tato ho ato, ka izay no mety mahatonga izao toe-javatra izao. Samy hafa mihitsy anefa ny resaka politika sy ny resaka fandraharahana, ary tsy tokony hiafara amin’ny fanakantonana ny Tiko AAA ny raharaha satria mamelona vahoaka maro izany, ary mety hiteraka korontana eto amin’ny firenena. Tokony hisy ny fifampidinihana sy fifampiresahana raha tena misy tokoa ny fitiavan-tanindrazana, ka tsy ny orinasa Malagasy hita fa miroborobo indray no hanaovana antsojay.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.