Politique

Orinasa Tiens Nozaraina 180.000 dolara ireo mpaninjara ny vokany


  • Alarobia 07 Desambra 2011

Manana paikady hanatsarana ny varotra ny orinasa Tiens. Tsy mbola fampiasan’ny Malagasy ity paikadiny ity kanefa tena mahomby.

 Zarainy vola mantsy ireo mpiara-miombon’antoka mendrika, izany hoe ireo mpaninjara ny vokany eto amintsika. Tamin’ny volana novambra, ohatra, dia nahatratra 80.000 dolara no notsinjaraina tamin’ny mpaninjarany miisa 1500 raha tafakatra 100.000 dolara kosa izany tamin’ity desambra ity. Tsy vitan’izay fa mahazo fiara vaovao kosa izay mendrika ambonin’ny mendrika. Mahatratra 23.000 ireo mpaninjara ny vokany eto saingy ny 1500 ihany no tena mihetsiketsika. Ho fampirisihana ireo ambiny rehetra hiezaka bebe kokoa dia manome fanofanana azy ireo momba ny vokatra Tiens ny orinasa amin’ny sabotsy izao.

Hisy ny fivahinianana any Chine hitsidika ny orinasa Tiens any an-toerana mandritra ny herinandro ka Malagasy 20 no heverina hahazo tombontsoa amin’izany. Mbola ity orinasa ity koa no hiantoka ny fikarakarana ny “visa” ho an’ireo mpikambana delegasiona amin’izany. «Tsy eto Madagasikara irery no anaovana hetsika toy izany fa amin’izay firenena misy ny Tiens ka anisan’ny tena mahomby indrindra ny ao Afrika Atsimo sy Cameroun aty Afrika», hoy i Kit Yew Eik, talen’ny Tiens eto Madagasikara.

Marihina fa hitsidika an’i Madagasikara amin’ny taona 2012 ny filohan’ity vondrona orinasa ity, Atoa Li Jin Yuan, mpanefoefo Sinoa laharana faharoa any Chine. Manamboatra fanampitsan-tsakafo amin’ny alalan’ny raokandro sinoa, manamboatra koa lamba fampiasan’ny vehivavy, ranomanitra, fitaovana fahandroana sakafo ary fitaovana fampiasa amin’ny fitsaboana ny Tiens izay manana orinasa goavana any Chine, toeram-pitsaboana manokana ho an’ny mpiasa ary trano fandraisam-bahiny natokana ho azy ireo. Ananany fenitra iraisam-pirenena voamarina isan-taona avokoa ireo vokatra ireo. Mielipatrana maneran-tany ny vokatra Tiens izay manana rantsana eto Madagasikara ihany koa nanomboka tamin’ny taona 2008.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT