Politique

Orinasa mpanao fitaovam-pambolena Hovelomina indray ny SIDEMA


  • Alakamisy 12 Jona 2014

Nidina ifotony nijery ny zava-misy ao amin’ny orinasa SIDEMA etsy Soanierana ny minisitry ny indostria sy ny orinasa salasalany ary ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina, Dr Jules Etienne sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy omaly.

 Orinasa mpanamboatra fitaovana sy mivarotra milina momba ny fambolena ny SIDEMA. Naorina tamin’ny 1968, ary ny Fanjakana no manana ny 73%-n’ ny renivola miasa ao. Nikatso ny orinasa teo anelanelan'ny taona 2004 sy 2011. Antitra ny fotodrafitrasa, tranainy ireo fitaovana ampiasaina. Nampanantena ny minisitra Jules Etienne fa haverina amin’ny lazany ny SIDEMA, ka hisy ny fampitaovana azy hahafahany mamokatra fitaovam-pambolena amin’ny vidiny mirary nefa mamaly ny filan’ny tantsaha amin’ny asa ataony manomboka amin’ny fikarakarana ny tany, fambolena, fiotazana ny vokatra, ny fitaterana ary ny fanodinana izany.

Mitohy ny fitsidihan’ny minisitra Jules Etienne ireo orinasam-panjakana eo ambany fiahiany. Tany Farafangana izy ny 5-6 jona 2014 teo, nihaona tamin'ireo mpandraharaha ao an-toerana sy niara-nidinika ny hanodinana ny vokatra misy any sy ny hamoahana izany. Nojerena manokana koa ny amin’ny seranana ao an-toerana. Hitohy any Brickaville indray ny diany rahampitso zoma 13 jona, hitsidika ny orinasa Sirama izay mandalo fahasahiranana ary efa an-taonany maro no tsy mamokatra. Hipaka any Toamasina ny diany hitsidika an’Ambatovy ary koa hijery ny niafaran’ny orinasam-panjakana ZEREN sy ny fanomanana ny famotehana ireo tahirin’amôniaka tavela ao noho izy mety hampidi-doza.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT