Niaka-dapa tao amin’ny efitrano fivorian’ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita tao Anosikely omaly alarobia takariva ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, ny jeneraly Randrianazary niaraka tamin’ny Tale jeneralin’ny Polisim-pirenena, Rakotondratsima Désiré Johnson nisolotena ny minisitry ny filaminana anatiny.
Noho ny fangatahan’ireo CST amin’ny hitondrany fanazavana misimisy kokoa mikasika ny toe-draharaha fifanandrinana amin’ny dahalo any Atsimon’ny Nosy no antony niantsoana azy ireo. Taorian’ny 1 minitra fahanginana ho fahatsiarovana ireo zandary namoy ny ainy tamin’ity raharaha ity, dia nitondra sasin-teny fanazavana ny amin’ny zava-misy marina any amin’ity Faritra hisian’ny disadisa ara-piarahamonina. Misaona ny foko, hoy ity zandary jeneraly ity, manoloana ny fahavoazana nahazo ireo zanako, tena marary ny fo. Misy ny zavatra tsy azoko ambara ato anaty Lapa tahak’izao, hoy izy, fa ny ankapoben-javatra fotsiny no azo homena anareo satria efa niteny ny Praiminisitra lehibeko, efa niteny koa ny lehibeko minisitra.
Tsy misy firaviravian-tanana izany mihitsy ato aminay fa vao naheno ny trangan-javatra izahay ny sabotsy 9 jona dia efa nandefa solontena nanao fanadihadiana tany amin’ilay toerana namaharan’ny dahalo izay 65 km miala an’i Esira ary 80 km miala an’i Befotaka. Io tanàna io dia tsy hoe dahalo fotsiny avokoa no nipetraka tao fa misy zaza amam-behivavy ka tsy mora ny mahita an-dry Remena Bila fa miaraka amin’ny olon-tsotra maro izy ary tsy fantatry ny mpitandro ny filaminana akory. Olana be ny an’ny delegasiona nandeha tany satria tsy manana fiaramanidina ny foloalindahy Malagasy ary ny helikoptera nofana tsy afaka mandeha amin’ny alina. Raha tsorina dia manana olana ara-teknika sy hoenti-manana ny mpitandro ny filaminana.
Ao anatin’ny “opération” isika izao ka mino izahay fa tsy ho ela dia ho tonga amin’ny toerana nifamonoana ny iraka ka ho hitanay ny zanakay maty ireo. Tokony hatao an-taratasy ny fanontanianareo CST dia atao tsiambaratelo ny famaliana azy, hoy izy. Nisy rahateo ireo CST nangataka ny hanovana ny fivoriana nitambarambe ho “commission plénière” ka nasian’ny filoha lefitra avy any Toamasina nitarika ny fotoana nivoaka izay tsy CT ary anisan’izany ny mpanao gazety. Ny CST Raharinirina Jacques Aimé kosa anefa dia nanamarika fa dinika an-kitsim-po ary zava-marina no tokony hodinihana eto fa manahirana ny vaovao azo, hoy izy. Ny haino aman-jerim-panjakana milaza ny isan’ny maty tany Anosy nefa ny radio tsy miankina manohitra izay voalazany. Raha tsorina dia nanao tsiliantsofina ny tokony hahenoan’ny mpanao gazety ny zava-misy marina ity CST ity mba tsy hisy filazana vaovao diso sanatria nefa dia tsy naheno n’inona n’inona intsony ny mpanao gazety avy eo.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.