Politique

Oniversite Mitaky vatsim-pianarana 2 volana ny mpianatra


  • Alarobia 22 Febroary 2012

Tsy mbola tena milamina ihany ny tontolon’ny fampianarana ambaratonga ambony eto amintsika hatramin’izao, ary ahiana foana ny hisian’ny fitokonana sy fitakiana hampitarazoka ny fampianarana.

 Omaly izao dia namoaka fanambarana indray ny fikambanan’ny mpianatra, izay nivory teny amin’ny oniversiten’Antananarivo. Tsara ho marihana fa tsy ny mpianatra avy eto Antananarivo ihany no manao izany fa misy ihany koa ny solotena avy any amin’ny Faritra. Takian’ireto mpianatra ireto ny mba hanajan’ny fanjakana ny teny nomeny sy ny zavatra nosiniaviny. Miantso ny mpampianatra mpikaroka mivondrona ao amin’ny Seces izay hiatrika kongresy nasionaly amin’ity anio ity ihany koa ireto mpianatra ireto, mba hikaroka vahaolana mahomby hampilamina ny oniversite manerana ny Nosy. Tokony ho zavatra matotra amin’izay no atao fa tsy vahaolana vonjy rano vaky sy ho fanetsemana ny banga fotsiny, tahaka ny nahazatra hatramin’izay hoy ireto mpianatra ireto. Ary fitakiana fahatelo nataon’izy ireo moa ny handoavana amin’izay ny vatsim-pianarana roa volana miampy ilay vola 10 000 ariary nihoatra tamin’ny fisoratana anarana ka nampanantenain’ny fanjakana fa haverina. Nambaran’izy ireo mantsy fa efa tena lany vatsy ny ankamaroan’ny mpianatra ka izay no tsy maintsy hamoahana ny vatsim-pianarana sy io vola fanampiana io. Miandry izay ho fehin-kevitra avoaky ny kongresin’ny mpampianatra mpikaroka arak’izany ireto mpianatra ireto, ka ho hita eo indray izay mety ho tohin’ny hetsika atao raha toa ka tsy misy ny vahaolana maharitra. Tsara homarihana fa hatramin’izay dia tsy maintsy misy olana foana ny momba ny vatsim-pianaran’ny mpianatra eny amin’ny oniversite isan-taona, indrindra fa amin’ny fanombohan’ny taom-pianarana, ka ny fandaminana an’io dia efa zava-dehibe sahady ho an’ny mpianatra ary dingana iray tsy maintsy atrehana amin’ny fanovana sy fanatsarana ny tontolon’ny fampianarana ambaratonga ambony. Ny manaraka izay moa dia mahakasika ny rehetra satria momba ny hoe ahoana marina ny tetibola hiasana sy hiodinan’ireo oniversite 6 manerana an’i Madagasikara, satria miankina amin’io avokoa, ny karaman’ny mpampianatra sy ireo mpiasa, ny hividianana ireo fitaovana ilaina ny fandoavana ny jiro sy ny rano any amin’ny Jirama, ary ny vatsim-pianarana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT