Politique

ONIVERSITE MAHAJANGA Ny mpiasa indray no migrevy


  • Alarobia 16 Jolay 2014

Raikitra indray ny fitokonan’ny mpandraharaha eo anivon’ ny oniversite Mahajanga izay mitaky ny fanalana ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ary ny tsy fankasitrahana ny fametrahana ilay tondrozotra izay lalana iray hamahana ny olana

Nitokona tsy niasa izy ireo nanomboka ny alatsinainy teo mandra-pahitany ny tena vahaolana mazava sy ara-drariny. Nametraka sorabaventy izy ireo manoloana ny trano fiasan’ny oniversite kakal Mahajanga be izay milaza ny anton’ny fitokonana sy ny didy jadona ataon’ny minisitera mpiahy azy ireo. Anisan’ny tsy eken’ireo mpandraharaha ny oniversite ihany koa ny fanalana ireo tompon’andraikitra sasany izay tsy manao sy asany ara-dalàna. Nilaza ny mpitondra tenin’izy ireo fa miato avokoa ny asa rehetra eo anivon’ ny oniversite Mahajanga ary tsy mbola fantatra izay fotoana iverenan’izany. Takian’izy ireo ihany koa ny fandriampahalemana eny amin’ny campus Ambondrona mandritra ny fiasan’ireo mpandraharaha ireo eny an-toerana. Nilaza izy ireo fa vonona ny hifandona amin’ireo mpitantana  ao amin’ny minisiteran’ ny fampianarana ambony satria efa tsy rariny loatra ny fanapahan-kevitra ataon’izy ireo sy ny fanaovana tsinontsinona ireo mpiasan’ny oniversite Mahajanga. Mety hisy fiantraikany eo amin’ny fanadinana Bakalorea sy ny fisian’ny taona fotsy izao fitokonana ataon’ny mpandraharaha ny oniversite izao satria dia efa mikatona avokoa sy tsy miasa ny mpiasa ao amin’ny kakal.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT