Nirefotra indray ny baomba lakrymôzena, izay efa fantatra fa etona mahatonga aretina homamiadana, omaly talata 31 jolay 2012 tokony ho tamin’ny 1 ora antoandro, teny Ambohitsaina.
Ny tena nahatalanjona dia any anatin’ny tokontanin’ny oniversite mihitsy no narefotra ny baomba mba hanaparitahana ireo mpianatra mitaky ny tsy hisian’ny taona fotsy eny amin’ny oniversite.
Nitsoaka nanavotr’aina nibosesika niditra tany amin’ny Fakiolten’ny Siansa ireo mpianatra. Eny amin’ny Esplanade efa akaikin’ny departemantan’ny fizika no voatifitra ny handrin’ny mpianatra iray. Izany hoe niditra tato anatin’ny toeram-pampianarana mihitsy ny herim-pamoretana. Nisy andia-miaramila sy polisy mirongo basy rahateo tazana teny akaikin’ny toeram-pianarana DEGS. Nijininika ny ra. Rovitra ny handrin’i Herimanda, f’izay no anaran’ilay tovolahy mpianatra taona faharoa amin’ny sampana fitsaboana. Araka ny fantatra dia nijanona teo amin’ny Esplanade toy ny fanaony izy fa tsy mba anisan’ireo nidina naneho hevitra tany amin’ny fiantsonan’ny taksibe 119. Fantatra ihany koa fa anisan’ireo mpianatra mahay izy, satria nahazo ny “mention BIEN” tamin’ny bakalôrea 2010.
Tsy hanaiky
Tsy rariny intsony izao, hoy ny mpampianatra sy ny mpianatra nahita. Maninona no mitifitra ato anatin’ny oniversite ny miaramila ? Sa efa tsy misy fanajana intsony ny "Franchise Universitaire ?". Tena tsy mahalala ny asany intsony ve ny miaramila gasy sa efa tena ao anatin’ny fanaovana politika tanteraka ka izay manao fitakiana dia riatana fa manelingelina ? Hipetra-potsiny ve ny SECES, ny “Collectif des Professeurs”, ny prezidansan’ny Oniversite manoloana izao fihoaram-pefy izao ?
Ho an’ny mpampianatra teny Ankatso sendra anay dia tsy nisalasala ry zareo nilaza fa manameloka tanteraka izao tsy fanajana ny "Franchise universitaire" izao, fihetsika izay toa mitory fa tsy mampaninona an’ity fanjakana ity na taona fotsy aza ny eny amin’ny Oniversite, sitrany tsy mandoa ny vatsim-pianaran’ny mpianatra sy ora fanampiny ho an’ny mpampianatra ary ny vola fampandehanan-draharaha ho an’ny Oniversite ny fanjakana.
Araka ny vaovao farany dia tsy hanaiky an’izao zava-miseho izao ny mpianatra ary maniry fihaonana amin’ny mpampiantra mba hanohizana ny tolona. Raha ny fanazavan-dRaharimalala Fidèle, mpitarika ny SECES sampana
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.