Andro vitsy lasa izay dia noraviraviana vola ny mponina etsy Ambohitrimanjaka. Taorian` ny fisokafan’ilay« guichet unique » etsy amin`ny Village Voara izay, efa maherin` ny 300 ireo
tompon-tany nangatam-panazavana raha ny tatitra voaray. “Parcelle” miisa 44 amin` ireo 700 voakasiky ny dingana voalohany amin` ny tetikasa no fantatra ary avy hatrany nanasonia ny fanomezan-toky amin`ny fampivarotana (promesse de vente) eo amin` ny tompon-tany sy ny fanjakana Malagasy. Tsy midika kosa fa olona 44 no nanao izany fifanarahana izany fa misy olona iray manana « parcelle » maromaro amin` ilay tany 1000 ha voakasika, hoy Rahaingson Harifidy, talen` ny serasera eo anivon` ny ministeran` ny fanajariana ny tany. Mahakasika ny trano, tompon-trano efatra no nanamarina ny trano raha voakasika amin` ny tetikasa ka iray no efa nanasonia “promesse de vente”, hoy ihany izy. Noho izany, koa satria tsy dia nahomby loatra ny serasera nanodidina an` ny Tanà-Masoandro dia tadiavina ho saraham-bazana ny firaisan-kina amin` ny alalan` ny fanentanana an` ireo olona sasany ho eny amin`ny “guichet unique”. Fanapahan-kevitra tsy noresahina tamin`ny vahoaka anefa izany. Mipetraka kosa ny fanontaniana: Avy aiza io 20 tapitrisa dolara io izay voalaza fa hatokana amin`ny fanonerana onitra? nahoana no tonga dia notoninina tamina vola vahiny (dolara) hatrany am-piandohana ilay izy fa tsy natao tamin’ny Ariary Malagasy ? Moa tsy efa mazava ve izany fa vola azo avy amin’ny vahiny na Any ivelany io ?
Sao dia mba kitoatoa e ?
Sarotra inoana hoe manana izany tetibola izany na koa afaka namoaka izany ny Fanjakana Malagasy kanefa ny firenena mandalo krizy amin`ny sehatra maro samihafa. Raha atao ny kajy tsotra dia 1000 ha = 10 000 000 m2. Izany hoe 2dolara /m2 na 7360,54 Ariary. Vao maika miseho ny maha kitotoa ity Tana Masoandro ity. Hatramin` izay tsy nisy resaka 20 tapitrisa dolara dia izao rabirabina vola ndray ireo olona marefo. Raha ny filazan’ireo tandapa dia 25 miliara ariary ny volan’ny fanjakana Malagasy ampiasana amin` ity tetikasa ity. Midika izany hoe tsy mahavita akory ilay « expropriation » izany.Noho izany, tsy azo hofaritana ho tetikasam-panjakana io. Tompon’andraikitra nomena ny fahefam-panjakana no mirotsaka an-tsehatra eo amin’ity voalaza fa tetikasan’ny Filoham-pirenena ity, kanefa tsy volam-panjakana, fa fiarahamiasa amin’ny tsy miankina. Tsy miankina iza, ary ahoana no votoatin’ilay fiarahamiasa? Efa nisy ny disadisa vao nilaza ny tompon’andraikitra fa tsy volam-panjakana no hanaovana ny tetikasa… Mampitombo sy mampitombina ny ahiahy sy ny tsaho ny amin’izay, ary mampihena ny risipo raha tsy voazava tsara. Mahatonga ny vahoaka hilaza fa « lasan’ny vahiny » indray ny tany e !
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.