Politique

Omer Biriziky–Alain Mahavimbina Misy ady mangatsiaka ihany koa ?


  • Talata 10 Janoary 2012

Nazava ny tenin´ny praiminisitra Beriziky Jean Omer nandritra ny fihaonany tamin´ny mpiasan´ny Kaominina Toamasina, tao amin´ny efitrano malalaky ny Faritra Atsinanana ny zoma 30 desambra teo.

 Nilaza ny praminisitra nandritra izany fa “ianao ry lefitra voalohan’ny PDS no tendreko eto izao hitantana vonjimaika ny Kaominina mandrapahatongan´ny fanendrena ny PDS vaovao, ianao koa ry lehiben´ny Faritra no iangaviako hiara-miasa amin´ny lefitra voalohany PDS …”. Midika izany fa na tsy mbola mivoaka aza ny taratasy milaza mazava ny maha mpitantana vonjimaika an´Atoa Belahy Paul Henri ny Kaominina, ny filazana ampahibemaso ny fanambarana nataon’ny Praiminisitra dia milaza avy hatrany fa lalàna azo ampiharina amin´ny maha olom-panjakana ambony mitantana ny raharaham-panjakana azy.

Gaga ny rehetra ny zoma lasa teo raha nahita ny lehiben´ny Faritra nanao fanambarana tamin´ny fahitalavitra telo, ka roa tsy miankina ary iray ny an´ny fanjakana, nilaza ny mifanohitra amin´io teny nambaran´ny praiminisitra io. Nambaran´Atoa Mahavimbina Alain nandritra izany fa “…gaga aho fa tsy mahita mihitsy ny PDS Rakotovao Mariot. Afaka mandray ny asany izy mialoha ny fanendren´ny fanjakana ny hisolo azy…”. Io teny io no nahatonga ny mpanara-baovao avy hatrany nilaza fa “misy ady mangatsiaka eo amin´ny lehiben´ny Faritra Atsinanana sy ny Praiminisitra matoa tonga amin´izao ny raharaha”. Ny praiminisitra mantsy manendry sy nilaza ampahibemaso fa Atoa Belahy Paul Henri no misolo toerana vonjimaika ny PDS, ny lehiben´ny Faritra Atsinanana indray manambara fa ny PDS Rakotovao Mariot no mbola eo aloha. Mila mivaha haingana izany ity raharaha ity satria efa lasa lavitra mihitsy. Ny fanendren´ny governemanta ny PDS vaovao ihany no vahaolana haingana indrindra.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT