Tafody an-tanindrazana ny sabotsy teo rehefa avy nivahiny tany Bruxelles sy Frantsa, hatramin’ny 28 jona, ny Praiminisitra Jean Omer Beriziky.
Anton-diany tamin'izany moa ny fifampiresahana tamin'ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny eo anivon'ny Vondrona Eoropeanina (UE), mba handinihana indrindra ny fikarakarana ny fifidianana sy ny famerenana ny fanampian'ity farany an'i Madagasikara. Azo ambara fa tsy dia nisy zava-baovao firy nisongadina tamin'ity fivoahana voalohany tany ivelany nataon'ny praiminisitra ity. Nanamafy mantsy ry zareo Eoropeanina fa vita fifidianana mihitsy vao miverina ny fanampiana an'i Madagasikara. Fanampiana ara-bola no resaka eto, satria ny Vondrona Eoropeanina no mamatsy vola ny fanjakana malagasy momba ny "aide budgetaire". Ankoatr'io dia mitazona ny laharana voalohany amin'ny amin'ny famatsiam-bola ireo tetikasa goavana fanamboarana fotodrafitrasa koa ity Vondrona ity, tahaka ny fanamboaran-dalana.
Eo amin'ny resaka famahana ny krizy, dia mitaky hatrany ny hisian'ny fifampidinihana sy fifampiresahana araka ny voalazan'ny "accord de Cotonou" ny Vondrona Eoropeanina. Mahakasika ny fifidianana kosa, dia mazava ny heviny. Raha hamoaka datim-pifidianana ny CENIT, dia mila mifanaraka amin'ny tolo-kevitry ny Firenena Mikambana, izany hoe eo anelanelan'ny mey sy jona 2013, no hatao ny fifidianana, ary mety hiaraka ny fifidianana filoha sy depiote. Araka ny filazan'ny praiminisitra Omer Beriziky moa dia miandry ny datim-pifidianana hivoaka ry zareo handinika izay fomba hanampiana antsika. Ho an'ny Vondrona Eoropeanina ihany koa dia mbola voasazy i Madagasikara, noho ny fanonganam-panjakana nisy teto tamin'ny 2009.
Ankoatra izay dia mbola hodinihana amin'ny manaraka ny hahazoan'i Madagasikara ny famatsiam-bola avy amin'ny FED 10, miankina betsaka amin'ny fivahan'ny krizy sy ny fifaranan'ny tetezamita amin'ny alalan'ny fifidianana madio sy mangarahara ary milamina anefa, izany. Fehiny dia tsy nisy zava-baovao firy nisongadina tamin'ny dian'ny praiminisitra tany Bruxelles, satria tsy mbola niova ny fomba fijerin'ny Vondrona Eoropeanina ny zava-misy eto Madagasikara, tsy mbola mieritreritra ny hamerina ny fanampiana ato anatin'ny volana vitsivitsy izy ireo, ary tsy tena nanome toky tanteraka fa hanampy antsika amin'ny fikarakarana ny fifidianana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.