Politique

Omer Beriziky Tafiditra anaty kizo


  • Talata 17 Aprily 2012

Misolo vonjimaika ny toeran’ny minisitry ny ala sy ny tontolo iainana ny praiminisitra Omer Beriziky, araka ilay didim-panjakana nivoaka ny faran’ny herinandro teo.

 Didim-panjakana niteraka resabe moa izy io satria nivoaka tsimoramora andro misasak’alina avy ao Ambohitsorohitra tao, tsy nandalo teo amin’ny filankevitry ny minisitra ka nosokajian’ny maro fa fanapahan-kevitr’olon-tokana indray. Zavatra efa tsy dia mahagaga intsony moa izany ato anatin’izao fitondran’i Andry Rajoelina izao, satria efa tena mazava be hatrany am-boalohany fa tsy vonona amin’ny fiaraha-mitantana mihitsy ny ankolafy Rajoelina fa mba mody nanasonia ny tondrozotra fotsiny sao mba ho azo haingana ihany ny fanampiana ara-bola avy any ivelany.

Ny mahalasa eritreritra izao dia ny hoe : raha toa moa ka manapa-kevitra na mandray fepetra momba ny raharaha boaderozy ny praiminisitra Beriziky ka tsy mifanaraka amin’ny eritreretin’i Andry Rajoelina izany na mifanipaka amin’ny fomba fijerin’ny ao Ambohitsorohitra, dia ho sahy hamoaka didim-panjakana hanesorana azy koa ve izany ny fiadidiana ny tetezamita ? Araka ny fanazavana tsy ofisialy mantsy dia, toa hoe nandray fanapahan-kevitra nifanipaka tamin’ny zavatra efa navoaka ny minisitry ny ala sy ny tontolo iainana teo aloha ity, no sady tsy nanaraka ny baikon’ny filohan’ny tetezamita niantefa taminy, dia izao voailika izao.

Any amin’iny faritra avaratra atsinanan’ny Nosy iny moa no tena malaza amin’ity resaka hazo sarobidy ity, satria any no rakotra ala mbola ahitana “bois de rose” sy voamboana tena mbola tsara ary maro mpitady manerantany. Mahafantatra tsara izany ny praiminisitra Omer Beriziky izay zanak’i SAVA. Ka asa na hanao ahoana ny akon’ny fandraisany vonjimaika ity ministera misahana ny ala ity ? Hihena ve sa vao mainka hitombo ny trafikana boaderozy ? Ho vitan’i Beriziky ve ny hampitony ireo mpandraharaha any amin’ny faritr’i SAVA izay toa niaka-pofona ihany, manoloana ny fepetra noraisin’ny fitondrana tetezamita. Tena hahasahy hilaza ny marina amin’ny fandripahana ny hazo sarobidy eto amintsika ve ny praiminisitra, sa hody fanina ihany koa sao …very seza eo ? Maro no mihevitra ankehitriny fa tena tafiditra anaty kizo ihany, amin’ity andraikitra vaovao hosahaniny ity ny praiminisitra, na ho vonjimaika ihany aza izany, ary mety ho vela-pandrika ka mora hanilihana azy. Marisarisa rahateo ny fifandraisana amin’Ambohitsorohitra sy Mahazoarivo.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT