Politique

Omer Beriziky Ny soridalana hatrany no mibaiko ahy !


  • Zoma 24 Febroary 2012

Mbola nohamafisin’ny Praiminisitra Omer Beriziky ampahibemaso tetsy amin’ny Lapan’Anosikely indray omaly, nandritra ny tafa nivantana nifanaovany sy ireo minisitra 5 niaraka taminy tamin’ireo mpikambana ao amin’ny Filankevitra Ambonin’ny tetezamita fa mbola ny sori-dalana tokoa no “Patron”-ny.

 Io no nampisy antsika goverenemanta sy CST ary CT sy mbola antom-pisian’ny CENI tsy ho ela, ho izy. Hatramin’izao dia io no lalan-kizorana, io no lalàna mifehy izao tetezamita izao, sady io koa no heverintsika hanatanterahana ny mikasika ny raharaam-panjakana rehetra. Eo amin’ny fanatanterahana azy anefa no tsy hitovizan-kevitra kely, hoy izy, ka tsy maintsy hifampidinihana. Saika voahodidin’ny Praiminisitra avy amin’ny alalan’ny fanontanian’ireo CST avokoa ny raharaha mafampana eto amin’ny firenena omaly. Misy fifangaroana andraikitra kely, hoy izy, ny resaka fiahiana ireo Ben’ny tanàna sy Pds noho ny fitambaran’ny ministeran’ny fitsinjaram-pahefana sy fanajariana ny tany taloha ary ny ministeran’ny atitany ihany koa. Efa miravona izany ankehitriny rehefa nifanazavana tao amin’ny filankevitry ny governemanta, hoy ny fanamafisana nataon’ny minisitra Rakotoarisoa Florent.

Teny fohy dia fohy no nentiny mikasika ny resaka solika : tsy isika no tompony ary tsy isika no mametra ny vidiny. Efa niezaka ny fitondrana hatramin’izay nitazonany vidin-tsolika ankehitriny nefa tsy azo ihodivirana ny fiakarana fa tsy ho 600 ariary araka ny voalaza an-gazety fa mbola hitadiavana marimaritra iraisana amin’ireo mpandrahara ny solika. Nohamafisin’i Omer Beriziky fa tsy misy aloha hatreto izany fanondranana “bois de rose “izany fa mbola mihatra ny lalàna tsy fahazoana manondrana hazo saro-bidy any ivelany. Ny fitoniana, hoy izy, dia efa voasoratra ao anaty sori-dalana. Tsy afa-miala amin’izany isika fa ny fomba hanatantehrana azy no tsy mampitovy hevitra. Efa nosoniavin’ny rehetra ka tsy maintsy hifampierana ny famoahana ny gadra politika sy ny famotsoran-keloka. Ny fahasahiranana noho ny 7 febroary sy ny fandalovan’ny rivodoza Giovanna andro talata no tsy nampisy ny filankevitry ny governemanta, ho izy, fa tsy hoe tsy mifankahazo izany ny fiadidiana ny Repoblika sy ny primatiora.

Ny BNGRC dia fitantanana iray ao anatin’ny ministeran’ny atitany ka tsy misy fifandirana eo amin’ny roa tonta, mandeha tsara ny asany amin’ny famonjena ireo niharam-boina. Ny Dina ampiharina any amin’ny Faritra samihafa dia manahirana, hoy izy, fa ny mety any Sofia mety tsy mahomby any an-kafa ka tokony ho dinihana tsara alohan’ny ametrahana azy. Tsy tokony hamono velively ny lalàna velona mitondra ny tany sy ny fanjakana io dina io, hoy izy. Mikasika ireo fitokonana samihafa (Seces, fitsarana-polisy, banky foibe) dia efa manao izay ezaka rehetra izahay ka efa vita ny amin’izany. Ny fifidianana, ho ny Praiministra farany, dia ny fanajana ny tonodrozotra no afahana manatanteraka azy ka tsy hisian’ny fanakianana intsony. Efa niresaka tamin’ny solontenan’ny firenena mikambana izahay fa miandry ny fitsanganan’ny CENI dia ho manga ny lanitra. Marihina fa minisitra 5 ao amin’ny governemanta (Fifandraisana amin’ny andrim-panjakana, Atitany, Toekarena sy vola, Angovo ary ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria) no niaraka nanazava ny zava-manahirana eto amin’ny firenena niaraka tamin’ny Praiministra omaly. Asa na matahotra fifanazavana mivantana na ahoana ny ministra sasany izay hitoeran’ny olana eto ankehitriny ny raharaha tantanany (Fampianarana, Varotra, Serasera, Filaminanana anatiny, Spaoro raha tsy hilaza afa tsy ireo isika).

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT