Politique

Omer Beriziky Mila masiaka sy miteny mahitsy !


  • Talata 24 Janoary 2012

Tsikaritry ny maro fa tsy dia mifanandrify ihany ny tenin’ny Praiminisitra Omer Beriziky mahakasika ny fiverenan’ny filoha teo aloha.

 Nilaza izy fa tsy dia mahafantatra loatra ary tsy manana vaovao mahakasika an’izany raha nanontaniana talohan’ny sabotsy. Tato aoriana indray anefa dia nambaran’ny filoha Marc Ravalomanana raha nanontanian’ny mpanao gazety vahiny izy ny hoe efa nifampiresaka mazava tamin’ny praiminisitra Omer Beriziky ka io farany no nilaza fa tsy misy olana intsony ny fiverenany any an-toerana. Ny ao ambadik’izany rehetra izany dia ny hoe misy somary maizina ihany ny fomba fanaovan’ity Praiminisitra ity serasera. Na izy manafina mba hialana andraikitra, na koa izy tena nanomana marina ny fiverenan-dRavalomanana saingy tsy tiany hampahafantarina amin’ny fomba ofisialy. Na koa izy, rehefa mahatsapa fa tsy henoin’ny mpitandro ny filaminana intsony, dia tapa-kevitry ny nangingina. Momba io farany dia heverina fa tokony ho mafimafy loha ny praiminisitra raha toa izy ka mbola te-hitazona io toerany io.

Ratsy be izany hoe praiminisitra tsy henoin’ny mpitandro ny filaminana izany. Manaraka izay, mila miteny mahitsy ihany koa izy mba tsy hahatonga ny olona miahiahy sao sanatria manomboka mivadika loko ihany koa. Anisan’ny andrandrain’ny maro mantsy ny nidiran’i Omer Beriziky ho Praiminisitra ary heverina fa tena ho fisokafana sy fiverenan’ny fifampiresahana tokoa. Nandrasana betsaka taminy ny fanamorana ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana eto an-tanindrazana mba ho fanajana ny sori-dàlana. Lasa any Afrika Atsimo io tompon’andraikitra ambony io omaly ary inoana fa mba ho mafimafy izy amin’izany fikaonan-doha sy adihevitra amin’ny fiverenan-dRavalomanana izany.

S.T

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT