Nifarana omaly ny dian’ny Praiminisitra Omer Beriziky tany Bruxelles.
Nandritra izany dia nisy fihaonany tamina tomponandraikitra vitsivitsy, anisan’izany ny kaomisera eoropeanina misahana ny fampandrosoana, Andris Piebalgs, niresahany mikasika ny toe-draharaham-pirenena amin’ny ankapobeny, ny olana amin’ny fampiharana ny tondrozotra ary ny fiantsoana tolotanana avy amin’ny Vondrona Eoropeanina hamoahana an’i Madagasikara amin’ny krizy. Tafiditra ao anatin’ny fandresen-dahatra ny Vondrona Eoropeanina hamerina ny fifanaraham-piaraha-miasa amin’i Madagasikara indray moa ity dinika nataon’ny praiminisitra ity. Fa nihaona tamin-dRtoa Damaniki, kaomisera misahana ny raharaha an-dranomasina sy ny jono eo anivon’ny vaomiera eoropeanina koa ny tenany. Voaresaky ny roa tonta tamin’izany ny ady amin’ny jiolahin-tsambo aty amin’ny faritry ny ranomasimbe indianina ary koa ny fifanomezan-tanana hisorohana ny fihanahan’ny aretina mahazo ny makamba Malagasy amin’izao fotoana.
Nisy koa ny dinika nifanaovan’ny praiminisitra Beriziky tamin’ny depiote Philippe Boulland, filohan’ny vondrona firahalahiana Madagasikara-Vondrona Eoropeanina izay toy ny mpisolovava an’i Madagasikara eo anivon’ny Parlemanta Eoropeanina. Hitarika delegasiona ho aty Madagasikara hijery ny zava-misy marina io depiote io any amin’ny telo volana faran’ny taona 2012 ity. Hihazo an’i Parisy Frantsa ny praiminisitra Jean Omer Beriziky anio. Hisy ny fihaonany amina tomponandraikitra frantsay vitsivitsy hataony mandritra ny fotoana ijanonany any, mialoha ny hiverenany an-tanindrazana ny faran’ny herinandro any. Ny 28 jona no niala teto Madagasikara ny praiminisitra. Ity no fivoahana voalohany nataony ivelan’i Madagasikara hatramin’ny nametrahana azy tamin’io toerana io. Hatreto anefa aloha dia mety mbola hody tanam-polo izy, satria dia mbola mijanona ho am-bava avokoa ny vokatry ny fihaonany tany.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.