Hentitra ny fanambarana navoakan’ny governemantan’ny firaisam-pirenena tarihin’ny praiminisitry ny marimaritra iraisana Omer Beriziky omaly tolakandro manoloana ny fihetsika hafahafa nataona andian’olona, izay sady nanaratsy no nanompa tamin’ny alalan’ny sorabaventy no mbola namoaka teny tsy voahevitra ihany koa.
Nisy ihany koa ny andian’olona saika handrombaka ministera teny Ampandrianomby sy Ambohijatovo teny, omaly. Tsy azo leferina, tsy azo ekena ny zavatra tahaka izany, hoy ny praiminisitra. Melohin’ny governemanta sy ny tenako manokana ny fihetsika tsy mendrika sy tsy voahevitra tahaka izany, hoy i Beriziky Jean Omer, izay hita ho tezitra tokoa. Ao amin’ny andininy voalohany dia milaza ity fanambaran’ny governemanta ity fa : «manameloka marindrano ny fihantsiana ho amin'ny fifankahalana, ny fampiasana teny fanompana, famingavingana na fanosoram-potaka (amin'ny alalan’ny sorabaventy, na fitaovan-tserasera samihafa, na fanoratana amin’ny rindrina...) izay ataona vatatenan'olona, na fikambanana. Ireo hetsika ireo dia voafaritra ho fandikan-dalàna voalaza sy voasazin'ny fehezan-dalàna famaizana Malagasy”.
Mampitandrina ireo mikasa handrombaka ministera na andrim-panjakana samihafan'ny Repoblika sy ny mpaniraka azy ihany koa ny governemanta ary manamafy fa hampihatra ny fanenjehana ara-pitsarana amin’ireo mpandika lalàna sy ny mpaniraka azy. Farany moa dia nanambara ny governemantan’ny firaisam-pirenena fa manohana sy mampirisika ireo ezaka ataon'ny mpitandro filaminana amin'ny fitandroana ny filaminam-bahoaka. Mazava ny resaka eto fa tsy hitambitamby na hamindra fo amin’ireo manana eritreritra hanakorontana sy hampisavorovoro, indrindra fa eto Antananarivo Renivohitra ny praiminisitra sy ny governemanta tarihany. Nisy tokoa mantsy omaly ny fihetsiketsehana teny Ankorondrano teny ary tena nasiaka ny sorabaventy nolanjain’ny andian’olona teny.
Araka ny fandinihan’ny mpanara-baovao sy ireo maharaka tsara ny toe-draharaha politika dia mpomba an’i Andry Rajoelina ireo nivorivory ireo, ary namoaka teny mahery manaratsy, manameloka sy manoso-potaka ny sehatra iraisam-pirenena. Asa aloha na fifandrifian-javatra ihany na efa drafitra vita mialoha fa nisy saika haka an-keriny koa ny ministeran’ny angovo io omaly io. Mafana tanteraka ny toe-draharaha politika, manomboka mampiseho ny praiminisitra fa tsy misangisangy izy sy ny governemanta tarihany. Asa kosa aloha izay tena fampiharana ilay fanambarana fa raha ny fahitana azy dia tena hentitra ilay izy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.