Niaiky ny praiminisitra Omer Beriziky omaly, nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo fa tena misy ny tsy fitoviam-pijery eo aminy sy ny filohan’ny tetezamita amin’ny lafin-javatra sasany.
Tsy dia hoe zava-doza manao ahoana anefa izany, hoy ihany izy fa satria mba ilaina ihany ny fomba fijery tsy mitovy, mba hialàna amin’ny fijery tokana. Karazana valin-teny amin’ireo ahiahin’ny maro izany. Na ny teto an-toerana na ny tany ivelany mantsy dia samy nahatsikaritra fa toa hafahafa ihany ny fifandraisan’Ambohitsorohitra sy Mahazoarivo, ary misy mihitsy indraindray ny fifanitsahana andraikitra. Ankoatr’izay moa dia nilaza ny heviny momba ny fihetsiky ny ankolafy Ravalomanana ihany koa ny praiminisitra, nambarany ary fa fantany tsara ny antony mahatonga ireo minisitra avy amin’ity ankolafy ity tsy manatrika fivoriana, saingy nomarihany tsara ihany koa fa vao maika maha ela ny fotoana ivoahana amin’ny krizy izany fihetsika izany ka tokony hieritreritra tsara izy ireo.
Tsy nanambara kosa anefa izy raha misy na tsia ny sazy homena ireto minisitry ny ankolafy Ravalomanana ireto. Ho an’ny praiminisitra dia ny fifampiresahana ihany no vahaolana. Efa manana ny tondrozotra isika hoy izy, io no efa nekena sy nosoniavina teo anatrehan’izao tontolo izao, koa io izany no tanterahana. Nilaza ihany koa izy fa tsy tokony atao sakana amin’ny firosoan’ny fampiharana ny tondrozotra ny olona iray na roa tsy manana eritreritra afa-tsy ny tombotsoany. Somary nanankiana ny mpitandro ny filaminana, indrindra fa ny zandary any Amboasary Atsimo ihany koa moa ny praiminisitra, noho ny fitavozavozan’izy ireo manoloana ny asan-dahalo sy ny halatr’omby, na izany aza anefa dia mbola namerina ny fankasitrahany ny asa vitan’ny mpitandro ny filaminana nandritra ireo hetsika fidinana an-dalambe teto an-drenivohitra ny tenany, ary namerina fa tsy tokony hisy ny fanelingelenana ny fahalalahan’ny hafa.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.