Politique

Omer Beriziky Haingon-dapa fotsiny


  • Talata 07 Febroary 2012

Samy miandry izay havoaky ny filankevitry ny governemanta anio, arahan’ny filankevitry ny minisitra rahampitso ny rehetra taorian’ilay fivoahana NOTAM amin’ny endrika hafa kely ny sabotsy lasa teo.

 Nilaza fa tsy mahalala na inona na inona momba ny fanakanana ny fodian-dRtoa Lalao Ravalomanana mantsy ny praiminisitra Omer Beriziky. Voadingana indray, tahaka ny nitranga ihany tamin’ny famoahana ny NOTAM tamin’ny 21 janoary 2012. Hatry ny alahady teo dia efa mandeha be ny resaka fa miha mafana ihany ilay ady mangatsiaka eo amin’Ambohitsorohitra sy Mahazoarivo. Ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina miaraka amin’ireo mpanolotsainy ao an-dapa no mifandray mivantana amin’ireo minisitra, na ny mpiara-miasa amin’ny minisitra. Tsy ny minisitra rehetra anefa no voakasik’ity resaka ity, fa ireo izay tena miara-dia amin’ny filohan’ny tetezamita sy niara-nanongam-panjakana taminy, telo taona lasa izay. Raha izany no dinihana dia tsy manam-pahefana tanteraka amin’ireo minisitra ao anatin’ny governemanta ny praiminisitra, ary tena tsy eo am-pelatanany mihitsy ny fampandehanana ny raharaham-panjakana.

Tamin’ny 17 janoary 2012 nikasan’ny ankolafy Zafy Albert hiditra tao amin’ny Kianjan’ny demokrasia Ambohijatovo, dia efa nivoaka ny feo fa nanome alalana am-bava, hono, ny praiminisitra Beriziky. Raha nilaza ny ho avy indray ny filoha teo aloha Ravalomanana, dia nifampiresaka an-telefaonina tamin’ny praiminisitra ihany koa, ary toa hoe nilaza ity farany fa efa milamina ny zava-drehetra. Nangataka ny fanesorana ny minisitry ny filaminana anatiny sy ny minisitry ny fitsarana ny praiminisitra mba hamahana ny olana nitranga tany Toliara, kanefa dia nolavin’ny filohan’ny tetezamita marindrano izany. Tsy mbola hita mihitsy aloha hatramin’izao hoe : amin’ny lafin-javatra toa inona no mitovy hevitra sy fomba fijery ny filohan’ny tetezamita sy ny praiminisitra, fa toa misy endrika fifanilihana na fifanitsahana andraikitra hatrany ilay izy.

Maro koa anefa no mieritreritra fa tsy te ho maimbo amin’ny fanapahan-kevitra sadasada fanaon’ny FAT hatramin’izay i Omer Beriziky ka mody fanina ary tsy mety mandray fanapahan-kevitra goavana mihitsy. Raha izay anefa no marina, tsy hisy zavatra handroso izany eto ary hitohy foana ny fanapahan-kevitr’ankolafy tokana, dia tsy misy ilàna ny praiminisitra ihany koa rehefa sady tsy hihira izy, no tsy hanao tsianjery. Ao anatin’ny tondrozotra rahateo, tsy tena mazava tsara ny fahefan’ilay praiminisitry ny marimaritra iraisana, hany ka mahazo aina ny filohan’ny tetezamita. Raha ny tokony ho izy anefa dia ny praiminisitra sy ny governemanta tarihany no tena eken’ny sehatra iraisam-pirenena sy ireo ankolafin-kery politika eto amin’ny tany sy ny fanjakana, satria izy ireo no marimaritra iraisana, araka ilay fifanarahana politika nosoniavina tamin’ny 17 septambra 2011, dia ny tondrozotra izany. Koa araka izany rehetra izany, hafahafa ihany ny toerana misy ny praiminisitra Omer Beriziky ankehitriny, toa lasa haingon-dapa fotsiny !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT