Nanaitra ny maro omaly ny nahita ny fijoroan’ny vovonana politika antsoina hoe “CREER” izay milaza ho mandalina ny fifohazan-tsaina sy fanantenana ary fahateraham-baovao no sady ivondronan’ireo solombavambahoaka teo aloha toa an-dry Felix Randriamandimbisoa sy Mamy Rajhonson,
Voahangy Ramananarivo delegena boriborintany, minisitra teo aloha avy amin’ny antoko politika Tiako I Madagasikara nanao fanambarana tetsy amin’ny Panorama Andrainarivo. Hanohana ny kandida hofidiana ben’ny tanànan’Antananarivo atolotry ny vovonana politika mpifanandrina aminy fahiny indray ankehitriny izy ireo, raha ny fanambarany, izany hoe hanohana an’i Naina Andriantsitohaina. Antony, hoy izy ireo, dia hita ho miantso fiombonana ity kandida ity raha milaza fa potika i Antananarivo ary mila ny tanan’ny rehetra ho fanarenana azy. Tsy asiana adihevitra ny namotika fa raha halalinina dia ny fifandroritana politika nisy teto no anton’io fahapotehana io. Tsy ady eo amina olona roa anefa no hanaovana fahirano an’Antananarivo, hoy hatrany ny CREER. Anisan’ny niara-nanao fanambarana tamin’izy ireo koa moa ny minisitra teo aloha tamin’ny fitondrana Ravalomanana, Donnat Andriamahefamparany. Fa inona no olana nisy tamin’izy ireo sy ny filoha nasionalin’ny antoko TIM ? Tsy misy safidy hafa azo aleha manoloana ny tsy fifankahazoana ankoatra ny fiandaniana amin’ny hery politika mpifanandrina taloha ve sa valifaty politika indray ity ?
J. Mirija
Legende: Tetsy amin’ny Panorama omaly
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.