Politique

Olon’ny MAPAR Hasavoritaky ny ady seza…


  • Zoma 25 Janoary 2019

Manomboka tsy re feo ny ankamaroan’ireo olon’ny MAPAR sy ny mpanohana fatratra an’i andry Rajoelina. Misy ny variana amin’ny ady seza, ao ireo tsy mahita hotenenina fa fanina tanteraka.

 Mifanipaka toy ny valala an-karona ny sasany. Nialoha ny fanendrena minisitra, dia re fa nisy ny adihevitra tsy nifankahitana. Samy te ho lohany sy mitaky ny valim-babena, ary nisy ny nilelalela fatratra mbola nanenjika ny mpifanandrina politika efa naneho fandeferana sy nirary soa ilay filoha voafidy, sao hisy tafiditra ao anaty fanjakana satria izy ireo, hono, no namono ny voay. Tahaka ny miady mofomamy ny fitadiavan-tseza, ka tsy atao mahagaga raha nahatratra 300 ny nanatitra CV (Curriculum Vitae) mba hiady laharana hotendrena minisitra, raha ny kabarin-dRajoelina, nefa 9.000 raha ny resaka niely. Misy maromaro ireo endrika vaovao ao anaty governemanta ka miandrandra toerana mafy ireo nanantena seza tao. Misy no re fa hotendrena governoran’ny faritra. Efa nofoanana ny fanendrena ireo mpanolotsaina teknikan’ny filoham-pirenena teo aloha Hery Rajaonarimampianina miisa 32, iraka manokan’ny filoham-pirenena teo aloha miisa 8, fanendrena ireo mpanolotsaina manokan’ny filoham-pirenena teo aloha miisa 12. Toerana mety hiadiana mafy ihany koa ireo 52 ireo. Zary hanihanian’ny olona tamin’ireny fifidianana ireny mitohy hatramin’izao moa ny hoe: “Mapar Nylon” sy “Mapar Coton”, izay nentina nanasokajiana ireo toetoetr’ireo lohandohany. Ireo heverina fa tena higoka ny tombontsoa dia nianjaika ny fitafiana vita amin’ny “coton” fa ireo “nylon” kosa dia ireo mety nampanantenaina natao fitaovana sy tohatra tahaka ny sarambabem-bahoaka, hoy ny vazivazy teny anivon’ny fiarahamonina. Na ireo lohandohan’ny mpisorona ao anatin’ilay sokajy voalohany aza misy valalanina, mainka fa ireo hafa.

Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT