Politique

Olon’ny HVM Manahy mafy ny valifaty politika…


  • Alarobia 06 Febroary 2019

Mihorohoro ireo mpanao afera manana dosie nandritra ny fitondrana HVM fa dia ho avy amin’ny angady sy ny harona ny fitondrana IEM. Nisantatra izany i Hugues Ratsiferana izay nampidirina am-ponja vonjimaika any Antanimora.

 

 

 

 Raha ny fantatra, halatra fa tsy fanodinkodiana ireo fananam-panjakana no niampangana azy. Ireo olona tsy mankasitraka ny fomba fitantanana ny firenena no tiana homelohina. Ahiana ho lasa valifaty politika ny zavatra hitranga ka mety ho resaka honohono sy tondro molotra fotsiny no hiteraka fisamborana sy fanagadrana. Natao handravona ny adilahy politika ny fifidianana mba tsy hiseho intsony ny fifankahalana sy ny valifaty politka. Tsy tokony hifanapotika satria nandentika ny firenena ny fanonganam-panjakana nifandimby natao teto ary mbola eo ireo tsy maty voalavo an-kibo. Nahomby ny tolona saingy ny firenena tsy tafarina hatramin`izao. Tsy vahaolana fifandrafesana sy fifanaratsiana fa mila miombon-kery sy mampiseho firaisankina ny mpanao politika na dia samy manana ny foto-kevitra ijoroany aza. Ny fomba fitantanana ny firenena no tsy mampifanaraka fa ny fitsinjovana ny vahoaka malagasy dia tokony hiombonan-kevitra.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT