Politique

Olon’i Afrika 2017 Lohalaharana i Dada


  • Alakamisy 21 Desambra 2017

Filoham-panjakana miisa enina aty Afrika sy mpanao politika, mpandraharaha, mpanao fanatanjahantena fantadaza maro no tafiditra ao anatin’ny fifaninanana karakarain’ny gazety boky afrikanina African Leadership Magazine ary hahazoana amboara sy anaram-boninahitra ho “Olon’i Afrika 2017” na “African of the year 2017”, izay ahitana sokajy maromaro.

Anisan’ny misongadina amin’izany ny tontolon’ny fahaiza-manao sy haitarika na “leadership”. Iray amin’ireo voatsonga amin’ny fifaninanana ny filoham-pirenena Malagasy teo aloha Marc Ravalomanana. Ao anatin’ny sokajy politika na ny “Political Leadership” no misy azy, mifaninana Uhuru Kenyatta, Filoha Kenyanina, Ellen Johnson Sirleaf, Filohan’i Liberia teo aloha, Muhammadu Buharin Filohan’i Nigeria, ary Bukola Saraki, Filohan’ny Antenimierandoholona any Nigeria. Amin’ny alalan’ny tambajotra “internet” ny hahafahana mifidy, ka ny 5 janoary 2018 izao no hivoaka ny vokatra ofisialy. Mitarika ny laharana voalohany vonjimaika amin’ny isan-jato 50,73% ny filoham-pirenena Malagasy teo aloha, Marc Ravalomanana, nahazo mpifidy miisa 934. Faharoa amin’ny isan-jato 32,92% ny filoham-pirenena kenianina, Uhuru Keniata, izay nahazo isam-bato 606. Fahatelo, ny filoha liberianina, Ellen Johnson Searleaf, 8,53%, mpifidy 157. Fahefatra, ny filoha ekonomikan’ny fanjakana mpiady (Fighters), Julius Malema, 5,32%, mpifidy 98 isa. Fahadimy, ny filoha nizerianina, Muhammadu Buhari, 1,68%, mpifidy miisa 31 ary fahenina farany ny filohan’ny Antenimierandoholona nizerianina hatrany, Bukola Saraki, 0,81%, mpifidy miisa 15. Ny rohin’ity gazety ity kosa no tsidihana raha te handray anjara. Mipetraka hatrany ny maha olona manana ny maha izy azy an’i Marc Ravalomanana na eto Madagasikara na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Filoham-panjakana sy olona manana ny maha izy azy aty Afrika avokoa ireo voatsonga, saingy tsy mba ao ny anaran’ny filoha Malagasy Hery Rajaonarimampianina. Raha ny fiedinedin’ny mpitondra Malagasy ny fireharehana ataony mantsy dia tokony ho mendrika izany mihitsy ny Filoha ankehitriny, saingy tsy hitan’ny karatra izy eto. Raha ny vaovao navoakan’ny fampahalalam-baovao mpanohitra ny fitondrana ny herinandro teo, ohatra, dia nambara fa nampihena 20% ny tahan’ny fahantrana teto Madagasikara i Hery Rajaonarimampianina satria 92% izany tamin’ny nandraisany fitondrana, ary nambara fa lasa 72%. Tsy fanta-pototra ny niavian’io, fa dia tononina sy soratana ary terena hoeken’ny sain’ny Malagasy fotsiny fa tena mahay mitondra sy mitarika ny filoha. Raha io 20% io, dia nisy Malagasy 5 tapitrisa teo ho eo nivoaka tao ambany vahohon’ny fahantrana. Voalohany aty Afrika ary nahadingana an’i Ethiopie sy Rwanda ihany koa izany isika raha fandrosoana, raha tena mitombina io nambara io. Tokony efa nalaza sy nisongadina taty Afrika izany ny anaran’i Hery Rajaonarimampianina, fa mety tsy hitan’ny hafa satria i Rwanda, tarihin’i Paul Kagame, izay voasokajy ho mandroso sy mendrika indrindra aty Afrika ary izany efa resy.

J. Mirija sy Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT