Politique

Olona maty tamin'ny 2009 Tsy ho afa-maina Rajoelina sy ny FAT


  • Alatsinainy 17 Septambra 2012

Araka ny efa nitaterana azy teto dia tsy nisy fantatra na dia iray aza ny tena atidoha nikotrika ny fanondranana an-tsokosoko ireo boaderozy tratra tany amin'ny nosy Maorisy ny volana jona 2011.

 Ireo mpiasa madinika tahaka ny tompona fiara, mpamily, mpibata entana, “transitaire” no nofaizina fa ireo tena deba nangatsiatsiaka sy milamin-tsaina. Vao niainga anefa ity raharaha hazo sarobidy ity dia efa nisy anarana tsy latsaky ny telo tena malaza be fa ao ambadik'izy io, ary ny olona rehetra maharaka vaovao dia efa mahalala tsara ireo olona ireo. Samy mpandraharaha izy ireo, fa misy koa anefa ny mpanao politika teo amin'ny fitondrana FAT ary misy mbola tavela ao voatonontonona amin'ity raharaha ity, saingy toa mody fanina amin'izany ny fitsarana ambara fa mahaleotena eto. Mbola io resaka fitsarana io ihany no hanaovana hazakazaka arahin-tosika izao hamotehana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ka ezahina ny hanamelohana azy ho tompon'andraikitra voalohany sy tokana tamin'ny fitifiran'olona teny Ambohitsorohitra sy Antaninarenina ny 7 febroary 2009. Tahaka ny hoe sady nanentana ny olona hiaka-dapa i Marc Ravalomanana, no nitifitra ihany koa. Raha tena alefa anefa ny fitsarana ny raharaha 26 janoary 2009 sy 7 febroary 2009, ka halalinina ny fanadihadiana, dia mety ho maromaro ihany ireo manampahefana sy mpanao politika higadra ka tsy afaka ho kandida, anisan'izany i Andry Rajoelina, izay tompon'andraikitra voalohany tamin'ny fitarihana ny olona higrevy sy hidina an-dalambe. Ireo olona ireo ihany no nirohotra niakatra teny Ambohitsorohitra tamin'ny 7 febroary 2009 rehefa nisy nitarika, tsy latsak'izany koa ny tamin'ny 26 janoary tamin'io taona io ihany rehefa nahazo … tsodrano.

Nisy ny fijoroana ho vavolombelona nataon'ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina, ity farany izay efa saika najedaka tsimoramora teny Tsiafahy teny. Raha tena mahaleotena tokoa ny fitsarana eto dia tokony hanokatra fanadihadiana miainga avy amin'ireny ampamoaka nataony ireny fa tsy hilaza fotsiny hoe toy ny resak’olona tsy salama saina no nataon’ny kolonely Charles. Ny fanadihadiana irery ihany no hahafantarana na marina na diso ny zavatra nambarany. Averina eto indray fa nisy ny andraikitr’izay nitondra olona teo amin'ny Kianjan'ny 13 mey tamin'ireny fotoana ireny, fa tsy ailika any amin'i Marc Ravalomanana fotsiny ny rihatra rehetra. Raha tsy nisy ny fihetsiketsehana sy teny fihantsiana teo amin'ny Kianjan'ny 13 mey, dia heverina fa tsy nisy mihitsy ny 26 janoary 2009 sy ny 7 febroary 2009. Lojika izany fa tsy ilana adihevitra ela be. Ary raha nijanona teo amin'ny 13 mey fotsiny koa ny olona fa tsy nampilendalendaina hoe hametraka ny praiminisitra Monja Roindefo teny Ambohitsorohitra, dia azo antoka fa tsy nisy poa-basy izany teny ambony teny.

Mody fanina amin'io resaka io ny mpitondra FAT ary mangina ny fitsarana, fa nahoana ary ? Moa va tsy mitovy lenta amin'ny raharaha baomba, na mety tena mbola mavesan-danja kokoa aminy aza ireo raharaha roa ireo satria nahafatesana Malagasy efa ho 100. Ary ny CT sy ny CST anie afaka nanangana voamiera manokana hanao fanadihadiana momba ny 26 janoary 2009 sy ny 7 febroary 2009. Io ilay “commission d’enquête parlementaire”, fa nahoana no tsy natao ? Na ahoana na ahoana hevitra ambara eto dia tsy afa-miala amin'ireo raharaha roa ireo ny mpitondra FAT izay nitarika olona hanongam-panjakana sy hiaka-dapa, ka asa... mety izay angamba ny antony tsy hanaovana fanadihadiana lalina amin'ilay izy ! Ary farany ny mampalahelo amin'ity resaka ity ary tokony hahatonga saina ny ao amin'ny AV7 dia efa natao fitaovana handrodanana fanjakana sy hakana fahefana izy ireo tamin'ny 2009, izao dia mbola atao fitaovana ihany koa hamotehana an-dRavalomanana sy hampaharitra an-dRajoelina eo amin'ny fitondrana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT