Mandeha ny fanendrena olom-panjakana ambony eto amin’ny firenena amin’izao izay nosantarina tamin’ny praiminisitra Ntsay Christian sy ny sekretera jeneralin’ny fiadidian’ny Repoblika Valery Ramonjavelo
. Ny sekretera jeneralin’ny fiadidian’ny Repoblika lefitra Dina Andriamaholy, miampy ny tale kabinetran’ny fiadidian’ny filoham-pirenena Stéphanie Delmotte. Olona manana ny maha izy azy ary tena manampahaizana ireny notendrena ireny. Tsikaritra eto amintsika ny fametrahana olona toa manana zom-pirenena roa hitazona andraikitra ambony eto amin’ny firenena. Mahazo laka ao anatin’ny IEM sy ny fanjakana Rajoelina ireo olona manana sata tahaka izany. Ilaina ny traikefan’ireo olona niaina na niasa ela tany ampitan-dranomasina na koa nanovo fahalalana tany, saingy tsy maintsy olona tahaka izany ve no olona ilaina vao afaka handroso i Madagasikara ? Misy lafy tsarany io, ary mety hisy lafy ratsiny ihany koa ka sao apetraka mba hiaro ny tombontsoan’ny firenen-dehibe tahaka an’i Lafrantsa ny fametrahana ireny olona ireny satria ny ankamaroany aloha dia mizaka ny zom-pirenena Frantsay ? Ny programan’asa IEM aza moa tany Lafrantsa no namolavolana azy sy nampahafantarana azy voalohany. Mamoaka manampahaizana maro ny oniversite Malagasy kanefa mampametra-panontaniana ny hoe : tsy ampy hahafaha-mametraka azy ireny amina toerana ambony eto amin’ny firenena ve ny diplaoma Malagasy madiodio fa tsy maintsy tovanana any ampitan-dranomasina ? Tsy eto Madagasikara ihany fa saika lasitra ho an’ireo mpitondra aty Afrika, indrindra fa ireo zanatany Frantsay teo aloha rahateo ny famolavolana any amin’ny oniversite Frantsay toa an’i Sorbonne. Firifiry moa ireo olona novolavolaina tany sy mody eto hitondra firenena sy handray andraikitra ambony fa nitondra fampandrosoana ho an’ny firenentsika ve ? Tena tsy mahavita azy ve ny oniversite Malagasy ? Nanomboka tany amin’ny Repoblika voalohany io toe-javatra io izay hilana fiheverana ihany fa sao tetika hanamafisana orina ny fanjakana amin’ny endriny vaovao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.