Tontosa ny sabotsy teo teny Antaninarenina rehefa naharitra roa andro ny filankevi-pirenena notanterahin’ny fikambanana Olona Hasin’ny tany.
Antoko politika sy solontena avy amin’ny faritra 22 marobe no nandray anjara tamin’izany natrehin’ny birao nasionalin’ny fikambanana, notarihin’Atoa Hery Raharisaina. Nivoitra nandritra ny tafa nifanaovan’izy ireo tamin’ny mpanao gazety fa miomana hitondra firenena ny Olona hasin’ny tany. Tokony ho olona mpanao politika ary efa voavolavola ho amin’izany no hitondra ny firenena, hoy izy ireo fa tsy olona apetrapetra-poana. Mialoha izay anefa dia mila ovaina tanteraka ny rafitra hitondrana ity firenentsika ity, manomboka any amin’ny foto-pisainan’ny tsirairay ka hatrany amin’ny fomba fiasa. Nanamarika ny fikambanana Olona Hasin’ny tany fa tena manahirana ny zava-misy eto amin’ny firenena ankehitriny satria toa lany olomanga i Madagasikara amin’ny fitantanana ny firenena. Hiezaka ny hanarina ny fikambanana ka hamoaka olona manana tsangan-kevitra efa voavolavola manerana ny faritra 22. Marihina moa fa anisan’ny manohana feno ity fomba fijery ity i Sarah Rabeharisoa filohan’ny antoko politika PND sy ny minisitra teo aloha Tabera Randriamanantsoa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.